KPMS/Hafatra 2022
SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO
FOFIKRI ANKADIKELY ILAFY
Hafatra Komity Foibe KPMS
07-08-09-10 Dec. 2022
âFa hataoko ahoana ny hijery ny loza hanjo ny firenekoâ Est 8/6a
Hampitomboina amintsika rehtra anie ny fahasoavana sy ny fiadananâny Tompo.
Ny Komity Foibe KPMS faha 20 izay notanterahina teto aminâny FOFIKRI ANKADIKELY Ilafy ny 7-8-9-10 Desambra 2022 dia misaotra anâAndriamanitra noho ny fitantanany ka izany. Isaorana ihany koa ny Mpiandraikitra Foibe mpiahy ny KPMS, ny Sekretera Jeneraly, ny Tonianâny Departemantanâny Fiangonana, ary ny Tonianâny Departemantanâny Mpiasa sy ny Vola sy ny Fananana ary ny Fampamokarana tonga nanotrona sy nanatrika ary nandray anjara taminâizany Komity Foibe izany. Misaotra ny tomponandraikitra ao aminâny FOFIKRI Ankadikely Ilafy nandray ny fivoriana sy nanao ny fikarakarana samihafa. Andriamanitra manan-karem- pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
- Ny KPMS dia mahatsiaro fa mbola ady tsy maintsy atrehintsika, kanefa mila ho takonâny asa hafa, ny ady aminâny fiparitahanâny tsimokaretina VIH. Koa manentana antsika rehetra ho mailo sy hanohy hatrany izany ady izany, indrindra ny fanaovana fitiliana VIH.
- Hitantsika fa miakatra indray ny isanâny mararinâny COVID-19 tato ho ato. noho izany manentana antsika mba hanamafy ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra sy hanao vakisiny COVID-19.
- Efa am-perinâasa aminâny ady aminâny valanâaretina rehetra indrindra fa ny COVID-19 ny KPMS ka mampahatsiahy ny Fiangonana ny aminâny fananganana ny rantsa- mangaikanâny KPMS sy ny valanaretina rehetra any aminâny Synodamparitany sy ny Fitandremana tsirairay.
- Mampiomana antsika Kristiana FJKM rehetra fa aminâny taona 2023 ho avy izao no hankalazana anâAndriamanitra noho ny faha-20 taona ka hisy maro ho fanamarihana izany.
- Ny KPMS dia manamafy ny fahavononany hiara-miasa aminâny Komitinâny Fiainam- pianakaviana izay efa mijoro ara-dalana eo anivonâny FJKM ary mitsodrano azy hahatanteraka ny andraikitra apetraky ny Fiangonana aminy.
- Ny KPMS dia mikasa ny handrakotra fanofanana ireo rantsa-mangaika misahana fampianarana ato aminâny FJKM mba hampivondronana ny hery sy hanafaingana ny asa.
- Ny KPMS dia mirary Krismasy sambatra sy Taombaovao fifaliana ho antsika rehetra.
« Mifalia mandrakariva ao aminâny Tompo, âŠ..manoatra noho ny mpandresy isika aminâny alalanâilay tia antsika. » Fil. 4:4; Rom.8:37
Ankadikely Ilafy , 9 Desambra 2022
Ny Filohanâny KPMS
RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina.