Hafatry ny Filoha/Des 2022

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa hifarana ny taona

Ka fotoana mety izao

Hitodihana ny lasa

Ny amin’ny asa izay natao.

Amin’ito asa mafy

Midadasika tokoa:

mety hahatsiaro tena

ho tena kely angamba ianao,

kanefa na ny vitsika aza,

moa ve tsy tena kely;

saingy he ny fahendreny

azontsika alaina tahaka

amin’izato fahazotoany,

amin’izato firindràny,

am’izato fifandraisana

efa tena lalim-paka

amin’izy samy izy,

tsy mba misy mifamely!

Koa na toy ny bitika aza

Ny zava-bitan’isanisany,

Tonga zava-dehibe

Rehefa indray mitambatra eo !

Ary izato ianao sy izaho

Mba manahoana kosa re?

Moa mihevi-tena ho kely

Dia mijanona am’izao

Tsy mirotsaka hanefa

Ny anjara adidinao?

Diniho ny lasa dia sahia

Manefy fikasana vao:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI