Tatitra / Fanirahana mpiasa 2022

IRAKA SAHY

«  Dia sahy tao  amin’Andriamanitray   izahay  hiteny  taminareo  ny Filazantsaran’Andriamanitra na dia be aza ny fanoherana Â» (1 Tes 2.2b)

Izany no teny fanevan’ireo IRAKA SAHY ahitana ireo Mpitandrina  miisa 148 sy Mpampianatra miisa 58 hirotsaka  indray ho amin’ny sahan’ny Tompo  . Izany dia natao teo amin’ny sehatra Antsahamanitra , ny Alahady 31 Jolay 2022 tolakandro . Nitarika ny Fanompoampiavavahana ,ny Mpitandrina  ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy BMF .Nitoriteny , Dr IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina ,Filohan’ny FJKM.

Ny tatitra  nataon’ny Filohan’ny KFT no nahafantarana fa somary nihena ny voka-panadinana tamin’iny taom-pianarana in ,y  noho ny olan’ny Fotodrafitrasa ary  iraisan’ny TPM /Mpitandrina sy TPM /Mpampianatra izany olana izany . Vokatr’izay dia kilasimandry avokoa ny mpianatra taona I hiditra ao amin’ny TPM .  Fantatra fa nisy koa ireo mpianatra avy amin’ny Fiangonana rahavavy miisa 5 mandranto  fianarana ao amin’ny TPM/FJKM.Hatreto dia tsy mbola ampy ny mpampianatra matihanina , na dia efa misy tokoa aza ireo eo an-dĂ lam-pamitana  ny fianarana hisalorana ny diplĂ´me maha-Docteur azy ireo .

TORITENY  / 1 TES 2.2b

1-Olon’Andriamanitra izahay : Izaho sy Ilay inoako dia mifamatotra .Ny fisiako dia noho ny Aminy .tena fototra io maha- olon’Andriamanitra antsika io . Â« hianareo no vavolombelona  ary Andriamanitra koa fa masina sy marina  ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino Â» 1 Tes 2.10

2-Irak’Andriamanitra izahay : Ny iraka dia hanambara ny Filazantsaran’Andriamanitra .Fiantsoana ny olona hibebaka , hilavo lefona eo anatrehan’Andriamanitra .Miantso antsika ny Tompo mba ho iraka mahatoky : tsy matimatim-bola , ka vola no handavana ny asan’Andriamanitra ; tsy matimatim-boninahitra . Mahavelona anao ny Filazantsara .

3-Maritioran’Andriamanitra izahay : Iraka nihara-pijaliana i Paoly .MiomĂ na mba hiaritra ny mafy , hahita lalĂ na ratsy.Omany ny saina , mba hanananao fahavonononana ka hahery .Ny olona kenakenaina tsy azo antenain-javatra .Hahita ny mafy ianareo fa tsarovy fa hiaraka aminareo JESO .Maritioran’Andriamanitra , vonona ho faty noho ny amin’ny Tompo .

Nisy ny fanolorana ireo Birao KFT vaovao hiasa ny fe-potoana (2021-2025) . Voafidy ho filohan’izany ny Mpitandrina RANDRIAMAMPIONONA Alfred, MF sady Mampianatra Fac. Ato/kanga ;

INSTITUT DE FORMATION ET DE RECHERCHES PEDAGOGIQUES –IFRP

Hatramin’ny taona 2011 dia niova ny rafim-piofanana eo  anivon’ny IFRP  ka lasa rafitra LMD ( Licence-Master- Doctorat).Maharitra 3 taona ny fiofanana .Misy ny ambaratonga rehetra .

Antontanisan’ny mpianatra (2020-2022)

T1 : 70

T2 :65

T3 :59

Marihana fa miisa eo amin’ny 75 ny mpampianatra misahana ny fampiofanana ao amin’ny IFRP , ka ny 30  amin’ireo  dia efa manana Doctorat ary ny sisa kosa eo am-panomanana izany  , afa-tsy ireo  mpampianatra préscolaire sy ny mpampianatra misahana ny fitaizam-panahy .

Admin siteweb