Sekoly FJKM / Projet MAHAY.
Tatitra fiofananaÂ
Notanterahina ny 24 -25 Aogositra 2017 , teny amin’ny CFD  Ampandrana ny  fiofanan’ ireo Talen-tsekoly miisa 13 , ao amin’ny Faritra Analamanga , ny mpikambana ao amin’ny ny Foibe Fitondran-tSekoly ary ireo nasaina manokana hanatrika izao fiofanana izao toy ny  tomponandraikitry ny Tranokalampifandraisana (AFIFAB / FJKM ) .
Izao fiofanana izao dia nokarakarain’ny  Foibe Fitondran-tSekoly sy ny CBM (Christoffel Blinden Mission) TETIKASA  MAHAY , mivoy  indrindra  ny  « Fanabeazana Mampiaty »  ho amin’ny « fahombiazan’ny ankizy tra-pahasembanana ».
Novelabelarin’ ny Mpitandrina  Andriamampianina  Zaka ,BMF FJKM  sy Randrianarivony Radasy Rolland , mpandrindra MAMPIATY FLM  ,nandritra  ny  roa andro ny mikasika ny LEADERSHIP sy ny MANAGEMENT .
 Saiky voaresaka tamin’izany : izay tsara ho fantatra momba ny  FITARIHANA  ( ny toetra fito maha- mpitarika  , ny karazana mpitarika , ny fifampitokisana … )sy ny FITANTANANA ( ny asan’ny mpitantana , « ireo   Nahoana miisa dimy »…) .Ny tanjona dia ny ho fanatsarana ny fandraisana ireo ankizy tra- pahasembanana ao amin’ny Sekoly FJKM ,ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitarika ho amin’ny fahombiazan’ny « fanabezana mampiaty » (Education Inclusive).
Marihana fa mbola hitohy sy hihitatra hatrany amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara izao fiofanana izao, mba hahatratra ireo tommponandraikitry ny Sekoly FJKM ,ho fampandehanana izao tetikasa vaovao eo anivon’ny Fiangonana FJKM izao .
Nangonin-dRamatoa Sahondra