Fandalinana / Finoana kristiana .

 

IREO ANDRY 4 IJOROAN’NY FINOANA KRISTIANA

Ny Efes. 4 no iaingana eto hahazoana ireo andry efatra (4) iorenan’ny Finoana Kristiana ireo. Voalohany, dia ny Fahamarinana (and-5 sy 15). Faharoa, dia ny Fitiavana (and-2 sy 16). Fahatelo, dia ny Firaisana (and-3 sy 13). Ary ny fahefatra, dia ny Fahamasinana (and-12,13,17,24).

1.FAHAMARINANA

Ny fironana ankehitriny dia manolotra fahamarinana maro fa tsy tokana. Ary izay fijery izay dia mametraka fa, tsy misy fahamarinana iray lehibe ekena tanteraka. Samia manaiky izay fahamarinana kely mety ho hita amin’ny hafa noho ny tena. Ary ao amin’ny isam-batan’olona koa aza dia samy misy fahamarinana kely avokoa, ka tokony hoeken’ny hafa izany.

Manohitra tanteraka izany ny Efes. 4 eto, fa impito no miverina ny teny hoe “IRAY”. Ary tsy milaza izany ho teoria ny Soratra Masina eto, fa Jesoa Kristy irery no Fahamarinana (Jao 14:6). Izay lazain’io Jesoa Fahamarinana io no hany Fahamarinana, fa tsy fahamarinana maro araka izay lazaina ankehitriny. Tsy Finoana Kristiana ny finoana iray, rehefa mitory fahamarinana ivelan’i Jesoa Kristy izy.

2.FITIAVANA

Ankehitriny, ny Fitiavana dia aseho toy ny fihetsehampo, fahaiza-maneho fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina. Azo amarinina amin’ireo ny fisian’ny adim-pianakaviana, izay manorina ny fitiavana amin’ireo zavatra ireo. Tsy azo iaraha-monina izay tsy maneho fitiavana araka ireo zavatra ireo.

Ny tena Fitiavana anefa dia tsy miandry fa manolotra sy mizara (and-2,16). Ny ohatra nataon’i Jesoa Kristy no nanehoany izany. Mitandrina ny tenin’i Jesoa Kristy Ilay Fahamarinana izay tia Azy (Jao 14:23). Izany hoe, mifamatotra ny Fahamarinana sy ny Fitiavana. Rehefa mihevi-tena ho manana irery ny marina ny olona, ary tsy misy fitiavana ao aminy, dia izay no atao hoe fanatika fahita amin’ny Sekta.

3.FIRAISANA

Voizina sy hita ankehitriny ny firaisana aorina amin’ny tombontsoa. Miray, ohatra ny orinasa roa, mba hanapotehana ny mpifaninana aminy, ka hibata samirery ny tombontsoa izy ireo. Ny mivady noho ny tombontsoan’ny fitiavantena, dia rava mora foana. Ary na dia ny firaisan’ny Fiangonana aza, rehefa aorina amin’ny tombontsoa, dia tsy maharitra sady hiafara amin’ny ady.

Ny Firaisana ao amin’ny Fanahy (and-3) sy ny Firaisan’ny finoana (and-13) no hany tena mampisy ny Firaisana. Ny Firaisan’ny Fanahy dia mahatratra ny ny ivelan’ny sisintanin’ny firenena, ny sisintanin’ny fivavahana, ny sisintanin’ny teny sy ny sosialy. Hoy ny teny malaza nataon’i Melanchton, izay mpiara-miasa tamin’i Lotera: “amin’ny zava-dehibe, dia ny Firaisana; amin’ny zavatra madinika, dia ny fahasamihafana; fa amin’ny zavatra rehetra, dia ny fitiavana”. Izay tafaray amin’i Jesoa Kristy dia mitana koa ny Firaisana amin’ny hafa.

4.FAHAMASINANA

Manana fahamasinana maro dia maro ny mpiara-belona ankehitriny, izay tompoiny sy iriany ary zarainy. Mety ho olona izany (olo-masina), mety ho zavatra izany (sisan-taolan’ireny olo-masina, tanindrazana), mety ho hevitra (filozofia, firehan-kevitra ijoroana).

Ao amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra irery ihany anefa no hananana ny Fahamasinana. Betsaka ny manam-paniriana hiaina amin’ny Fahamasinana, ary ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no nahitany izany. Ny Tompo Masina irery ihany no afaka hanome Fahamasinana ho an’izay miaraka Aminy.

A.Zaka, Mpitandrina