TARATASY HO FAMPAHEREZANA NY MPINO FJKM
Ry Havana,Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanan’ny Tompo.Manoloana ny lahatsoratra an-gazety sy ny resaka samihafa re any amin’ny fitaovan-tserasera samihafa, momba ny Filohan’ny FJKM, ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ny Alakamisy faha 25 Febroary 2016 dia manao izao taratasy izao, ho fanazavana sy ho fampaherezana antsika Tomponandraikitra rehetra sy ny Vahoaka Kristiana FJKM, mba ho fitandroana ny Voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonany : Aoka harovana mandrakariva ny firaisan’ny Fiangonana mba tsy ho simba, satria tenan’i Kristy ny Fiangonana ka tsy azo zarazaraina. Koa taomina isika ho tony sy ho matotra tsara manoloana ny fampisavorovoroana ataon’ny sasany.
Aoka ho tsapantsika fa mety mbola ho endrika ankolaka na mivantana, araka ny fomba ratsy fanaon’ny olona sasany mialoha ny Synoda Lehibe ny trangan-javatra toy itony, mba hanalam-baraka, na hanimbana ny olona izay tsy tiana.Avelan’ny Tompo hitranga anefa ny toy izao, mba handinihantsika tena amin’izao Karemy izao sady hahazoana manavaka ny vary amin’ny tsiparifary.
Aoka ho tony sy hatoky isika fa efa nisy ny fanapahankevitra noraisin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, araka ny paikan-damin’ny Fiangonana, mba handaminana izao raharaha izao ka hampizotra tsara ny fiainana sy ny asan’ny Fiangonana, ho Voninahitr’Andriamanitra.
Koa fahendrena ny mitandrina tsara, mba tsy ho latsaka ao anatin’ny velam-pandriky ny mpampizarazara isika. Ambonin’izany dia aoka samy handanjalanja na amin’ny teny sy fiteny, na amin’ny fihetsika, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe :“Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra ; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika …. Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana” (Efe. 4, 25 : I Kor.14, 33).Eto am-pamaranana dia mampahery anareo mandrakariva izahay, nefa manentana antsika koa mba samy hivavaka ho an’ny Fiangonana sy ho an’ny Ray aman-drenintsika, Filohan’ny FJKM, manoloana izay atao aminy sady mahakasika sy mahavoa ny Fiangonana manontolo koa, araka ny voasoratra hoe :“Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena” (I Kor.12 : 26).Natao androany, faha 25 Febroary 2016Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra FoibeNy Filoha Mpanampy MpitandrinaAtoa ZARAZAKA Jean Louis, MpitandrinaNy Filoha Mpanampy LaikaAtoa RAVALOMANANA Marc