Vavaka iombonana 6

Andro faha-6

Andeha hitohy hivavaka ho an’ny Arabia Saodita

Tamin’ny taona 1994, vao nanomboka ny 30 Androm-bavaka ho an’ny firenena silamo ary ny andro faha-22 tamin’io taona io dia nivavahana ho an’i Arabia Saodita izahay. Hoy ilay mpitari-dàlana tamin’izany hoe : “Ny Fanjakan’i Arabia Saodita dia iray amin’ireo firenena faran’izay vitsy olona mahafantatra ny filazantsara maneran-tany. Vitsy ny mpino fantatra, tsy misy fiangonan-drazana, ary tsy mahazo miditra ao amin’io firenena io ny mpiasa Kristiana.”
Mbola marina ny ankamaroan’izany. Ireo Silamo Shia any Arabia Saodita, izay nentina am-bavaka teo aloha, dia mbola tsy tratra ny filazantsara hatramin’izao. Ny ankamaroan’ny mponina Sunni anefa, araka ny tatitra vao haingana dia fantatra fa maro amin’izy ireo no lasa mpianatry ny Tompo ary miara-miangona ao amin’ny trano fiangonana! Hoy ny mpiasa iray tao an-toerana : “Ny Saodiana ihany no fantatro eto fa Kristiana !” Tao anatin’ny taona vitsivitsy monja, dia betsaka ny mpino Saodiana izay nandaniany ny fotoanany nanaovana ny maha-mpianatra azy ireo.
Ary ireo mpianatra ireo dia nifampizara ny filazantsara. Vehivavy Saodiana iray no lasa mpino tamin’ny Aogositra 2020 ary tamin’ny Paska 2021 dia nitarika ny fianakaviany sy ny namany mihoatra ny 30 ho an’i Kristy. Ireo silamo tonga mpino an’I Kristy dia hita any amin’ny tanàna tsirairay, mampita ny finoany ary mampianatra ny Baiboly amin’ny alàlan’ny tambazotra sosialy.
Ny mpikambana sasany ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka Saodiana dia miezaka manampy ny fireneny ho lasa fiarahamonina mivelatra kokoa, sy mandefitra ary izany no hahazaoany fitahiana lehibe. Tsy fantatra mazava hoe firy ny mpino Saodiana ao amin’ny firenena. Fantatra kosa anefa fa misy an-jatony maro izany ankehitriny noho ny tamin’ny taona 1994, ary afaka mivavaka isika mba hiroborobo hitohy hatrany ny hetsika.

Mivavaha isika :
• Ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka Saodiana izay te-hanafaka kokoa an’i Arabia Saodita, hahazo fahendrena ary afaka hitondra fanovana ao izy ireo. (1 Timoty 2:1-2).
• Ho an’ireo silamo tonga mpianatr’I Kristy any Arabia Saodita, mba ho hendry amin’ny fijoroany vavolombelona, ho voaaro amin’ny fanenjehana sy ho sahy hizara ny finoany. (Matio 10:16).
• Ho an’ireo Kristiana mpila ravinahitra any Arabia Saodita mba hanampy azy ireo amin’ny fampianarana
sy ny famporisihana ireo mpino ao an-toerana. (2 Timoty 2:2).