Vavaka iombonana 5
Andro faha 5 –
Vavaka ho an’ny vondrona Silamo Khoja any Afrika Atsinanana
Ny Ithna Asharis dia midika hoe “roa ambin’ny folo”. Teny ilazana ny finoan’ireo taranaka roa ambin’ny folo lahy avy amin’ny fianakavian’i Mahomet notendren’Andriamanitra ho mpitarika ara-pivavahana sy ara-politika. Muhammad ibn al-Hasan al-Mahdi no faharoa ambin’ny folo, ny Imam farany, endrika Mesianika, izay antenaina fa hiverina hiaraka amin’ i Isa (Jesosy) indray andro any hitondra fiadanana sy fahamarinana ho an’izao tontolo izao.
Ny vondrom-piarahamonina Khoja Ithna Asharis dia mahatratra 125 000 eo ho eo eran-tany. Avy any amin’ny distrikan’i Kutch any Gujarat (Inde) izy ireo, saingy niparitaka ka namorona vondrom-piarahamonina maro any andrefan’i Azia Atsimo.
Ny ankamaroan’ny Khoja any Afrika Atsinanana dia tonga tamin’ny taonjato faha-19 sy faha-20. Tany am-boalohany dia Ismailis izy ireo, kanefa nisy fifandirana tamin’ny 1866, noho i Aga Khan manan-jo voalohany.
Mpivarotra sy mpitarika Indiana nampiroborobo tao amin’ny vondrom-piarahamonina Khoja Ismaili any Zanzibar i Dew Jamal. Izy dia iray amin’ireo izay niova fo ho amin’ny finoana Ithna Asharis ary taty aoriana dia nanangana ny moske voalohany tao amin’ny vondrom-piarahamonina tany Afrika Atsinanana.
Ankehitriny, Mombasa no toeran’ny Filankevitra Ambony ao amin’ny Federasiona Khoja Shia Ithna Asharis any Afrika, misolo tena olona 17.000 eo ho eo. Izy ireo dia manana evanjelistra mafana fo, miasa manaparitaka ny finoany any Karaiba ary any Amerika Latina
Mivavaha isika :
Ho an’ny Khoja mba hahitany an’i Kristy sy hahazoany ny teniny manokana ao amin’ny Soratra Masina. (Jaona 1:1-14).
• Ho an’ny hetsika ho amin’ny finoana an’i Jesoa eo anivon’ny vondrom-piarahamonina Khoja, mba ho an’arivony amin’izy ireo hatao batisa sy ho mpianany. (Matio 28:19).
• Ho an’ireo mpino maro any Afrika Atsinanana mba ho vavolombelona mafana fo, hizara ny finoany an’i Kristy amin’ny Khoja amin’ny fomba miavaka. (1 Petera 3)
Operation Mobilisation Madagascar