Vavaka iombon.4

ANDRO FAHATELO
Ismailis
Ny Ismailis dia sekta miaraka amin’ny Silamo Shia izay manaraka ny Imam. Mpitarika ara-panahy avy amin’i Ali, zanak’olo-mpiray tam-po sy vinantolahin’ny Mpaminany Mahomet. Mpino izy ireo ary taranaka Imam fa manome tari-dàlana ara-moraly sy ara-panahy ho an’ny fiaraha-monina misy azy ireo.
Tamin’ny taonjato faha-7 dia nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Shia mikasika izay handimby azy. Ny Ismailis no nofanina hanaraka ny fitarihana hifandovana izay notarihin’ny mpitarika Aga Khan IV amin’izao fotoana izao.
Misy 15 tapitrisa ny Ismailis, monina any Azia Afovoany sy Atsimo, Afrika, Afovoany Atsinanana, Eoropa, Amerika Avaratra ary Aostralia. Manome lanja lehibe ny fanabeazana izy ireo, satria mino fa mahasoa ny tenany sy ny fiaraha-monina ny fikatsahana fahalalana. Ny Ismailis koa dia mikendry ny hiaina am-pilaminana miaraka amin’ny hafa ary hiasa amin’ny fananganana fiainana tsara kokoa ho an’ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo amin’ny ankapobeny. Mibaribary matetika ny ezaka hataon’izy ireo hanampiana ny hafa. Ohatra, tamin’ny taon-dasa, ny vondrom-piarahamonina Ismailis dia nanome sakafo maraina toy ny pancake ho an’ny fikambanana Edmonton ary nanome vaksiny Covid-19 tamin’ny andron’ny Corona. Fiaraha-miasa taminy mpiray tanàna, sy ny mpitarika teo an-toerana ary ny Kristiana ho an’ireo tsy misy mpiahy.
Vitsy ny mpiasa Kristiana ao Ismailis. Mora anefa ny miresaka momba ny finoana amin’izy ireo satria liana amin’ny fianarana izy ary afaka mandray mora foana ny Soratra Masina, manaiky ny fomba fijery hafa, nefa tsy mampihatra izany ho an’ny tenany.

Mivavaha isika :
• Ho maro ny Ismailis hankalaza an’i JesoA ary hizara amin’ny Kristiana maro ny finoany momba Azy. Mivavaha amin’ny Fanahy Masina mba hifoha izy ireo ka hahalala ny fahamarinana bebe kokoa momba an’i Jesosy. Jao. 14:6.
• Amin’ny maha sekta vitsy an’isa azy, ny Ismailis dia mety hiatrika fanenjehana sy fanavakavahana avy amin’ireo vondrom-piarahamonina Silamo hafa izay tsy mihevitra azy ireo ho Silamo marina. Mivavaha ho azy ireo ho an’ny fiarovana sy ny fahafahany.
Sal. 82:3-4
• Ny Ismailis dia miavaka amin’ny fomba fiasany eo amin’ny finoana, ary manome lanja ny hevitra miafina sy ny fahalalana ara-panahy tsy takatry ny sain’olombelona. Mivavaha ho azy ireo mba hananany traikefa miaraka amin’Andriamanitra izay mitarika azy ireo ho ao amin’i Jesoa. (Jaona 4:24).

Operation Mobilisation Madagascar