Vavaka iombon. 3
03 aprily 2022 – Andro faharoa
VAVAKA HO AN’IREO SILAMO ETO MADAGASIKARA
Misy faritra 3 azo sokajiana ho tena ahitana mpino silamo be indrindra eto Madagasikara, dia ny faritra avaratra, avaratra-andrefana ary ny atsimo-atsinana. Ny silamo sonita no tena betsaka eto, misy ihany ireo koa anefa karazana silamo hafa toy ny borah, chiite…
Misy ihany koa ireo mpihavy izay Tonga mandranto fianarana, miasa, manoro-ponenana eto, ao ireo pakistanais, comoriens, sy ireo avy any Afrika.
Misy ny fitoriana filazantsara atao amin’ireo komoriana tonga mandranto fianarana eto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa dia be ireo komoriana no tsy tafody noho ny fisian’ny valana aretina COVID-19, ka sahirana ny akamaroan’izy ireo. niezaka izahay nanantona azy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana sakafo, vola, aro-vava orona ho azy ireo. Tsapa fa nampifanakaiky bebe kokoa tamin’ireo komoriana, mpifanolo-bodirindrina ny fisian’ny vanim-potoana fihoboana, na dia eny amin’ny tambajotra an-tserasera aza indraindray no hiresahana. Nanokatra fomba fiasa vaovao ihany koa ny zava-misy iainana, tsy voafetra ny rindrina efatra ihany ny fitoriana filazantsara, fa manana làlana foana Andriamanitra entina mantanteraka ny teniny ao amin’ny Matio 24:14.
Santionany entina eto dia ny amin’i Su, Komoriana iray, izay nisitraka tamin’ireo fanomezana vary sns nentin’ny ekipa misionera mitory amin’ireo silamo eto Madagasikara. Izany fanomezana izany no nahatonga anay nifanerasera betsaka kokoa noho ny teo aloha. Herinandro taorian’ny nanomezanay azy sakafo dia niara-nisakafo ireo ary tamin’izay no nizaranay ny momban’ny famonjen’i Jesoa Kristy taminy, nasaina koa izy raha mahaliana azy mba hanaraka fandinihana Soratra Masina. “Miandry ny vali-teniny isika!
Mivavaha isika :
- ho an’ireo komoriana marobe izay nitoriana filazantsara hatramin’izay MBA hisy vokany izy ireny na tsy hitan’ny masonay aza. ( Asa 4:12)
- ho an’ny fiangonana malagasy MBA hisokatra izy ireo amin’ny fitoriana filazantsara amin’ireo finoana hafa toy ny silamo, tsy Tonga ny farany raha tsy voatory ny filazantsara, (Mat24:14) ho tsapan’ny fiangonana fa iraka solon’i Kristy izy ireo amin’ny fantanterahana ny baiko hanao mpianatra izao tontolo izao (Mat28:20).
- hitombo hatrany ny mpitory filazantsara amin’ireo faritra Telo be silamo eto Madagasikara sy ho an’ireo vondron’olona Tonga monina eto amintsika
- Operation Mobilisation Madagascar