STK SP 29 / Lozam-pifamoivozana

 

« Isaorana anie Andriamanitra , Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika , Rain’ny famindrampo  sady Andriamanitry ny fampiononana  rehetra , izay nampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay  rehetra mitondra  fahoriana  kosa  amin’ny fampiononana  izay ampiononan’ Andriamanitra anay . » 2 Kor 1.3

Izany teny avy ao amin’ny Soratra masina izany no hitaterana eto ny vaovao izay nitranga  tao amin’ny Commune MORARANO Ambohitromby  , 20 Km hiditra an’ Ankazobe, ny Alatsinainy 31 Jolay 2017 , tokotokony tamin’ny 12 ora alina . Fiara lehibe , misy rihana no nitondra ireo STK miisa any amin’ny 100 mahery , avy any amin’ny  Synodamparitany Mandridrano Mpiambina (SP 29) Faritr’i Soavinandrina Itasy , hamonjy ny Fihaonambe Nasionalin’ny Sampana Tanora Kristiana FJKM izay hatao ao Mahajanga  ny 01 -06 Aogositra  2017 .

Teo am-piakarana iny indrindra no tsy nahatafiditra vitesse ny mpamily , ka nihemotra nihemotra , ary tsy tana fa nivadika tany amin’ny hantsana  hatrany amin’ny  15 m any ho any ilay fiara lehibe . Voalazan’ireo  traboina tafavoaka ny fiara ,fa nivadika hatrany amin’ny inefatra ny fiara vao tafajanona , rehefa izay dia nirehitra sady nahamay ny tanety manodidina ihany koa .

Ny tarehimarika ofisialy voaray dia miisa 19 no maty ary 87 no isan’ireo maratra nentina notsaboina tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha , Antananarivo . Misy ireo may , voatsindry any amin’ny farany ambany .

Lehibe sady mahatsiravina ny fahavoazana satria marihana fa mpihavana ny ankamaroan’ny mpandeha hihazo izany Fihaonambe izany . Ao ny sady maty vady no maty zanaka , ao ny tsy mbola nahita ny havany satria nisy ny may kila forehatra , tsy misy hahalalana azy intsony , ary dia voatery notsofaina ny vatan’ilay fiara hisokirana ny sisa taolana .

Eto  am-pamaranana izao tatitra izao . Mampieritreritra lalina  ny lohahevitry ny Perikopa amin’ity volana AOGOSITRA ity  manao hoe :  « Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo » . Ny Fanahy masina irery ihany no afaka mampionona  amin’izao fahoriana mavesatra dia mavesatra izao . Izy no hangatahantsika hampahery , hampitraka , ka tsy hanariana ny finoana . Fivoriana masina no niomanan’ireo mpandeha ireto handehanana , dia ny Fihaonamben’ny STK  Nasionaly . Andriamanitra irery ihany no mahalala ny anton’izao toe-javatra izao . Tsy  misy azo atao afa-tsy ny mifampivavaka sy mifampahery mba hahazakana izany amin’ny fanekena tanteraka ny fitondrany izay saro-pantarina amintsika  zanak’olombelona .

« Mahereza ary aoka hatanjaka ny fonareo , dia ianareo  rehetra izay miandry ny Tompo . Aza matahotra ianao  , fa momba anao  Aho  ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao , mampahery anao Aho  sady mamonjy anao , eny mitantana  anao  amin’ny tànana ankavan’ny fahamarinako Aho »  Salamo  31.24 / Isaia 41.10

Numero M-VOLA avy @ Foibe FJKM handefasana ny fanampiana ho an’ireo STK sy SAMPATI FJKM Soavinandriana Itasy niharam-boina teny Ankazobe : 034 19 085 76.
Rehefa lasa amin’ io ny fanampianareo dia afaka manoratra SMS manamafy izany amin’ ity ianareo mba hahafahana manamarina izany: 034 96 209 32.