Radio Fahazavana/25Taona

FANOKAFANA

1997 – 2022,

Feno 25 taona amin’ity taona ity araka izany ny onjam-peon’ny FJKM, ny Radio Fahazavana. Hankalaza an’Andriamanitra noho izany jobily volafotsy izany ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao FJKM (AFiFaB). Ny Radio Fahazavana, dia rantsana iray ao anatin’ny sampandraharahan’ny haino aman-jery eo anivon’ny AFiFaB. Efa nitsangana ny komitin’ny fankalazana, ary efa misy ny fikarakarana ireo hetsika samihafa momba izany. Iray lehibe amin’izany ny fanompoam-pivavahana hotanterahina eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA  ny Alahady 30 Janoary 2022 izao amin’ny 2 ora tolakandro. Fanompoam-pivavahana fanokafana ny jobily amin’io andro io ary arahin’ny NOELY AN-TSEHATRA.

Fotoan-dehibe araka izany no hotanterahina ka anasan’ny komity ny mpianakavin’ny finoana ho tonga hanatrika izany.

Teny faneva entina amin’izao jobily volafotsy izao ny ao amin’Isaia 60:1 “

Mitsangàna, mihazavà fa tonga ny fahazavanao.”