Rojom-bavaka SL 19
ROJOM-BAVAKA ATY AN-TOERANA
MANDRITRY NY SYNODA LEHIBE FAHA- 19
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia anisan’ireo foto-drafitr’asa vaovao natsangana handraisana ny Synoda Lehibe faha-19 ny trano hanatanterahana ny « Rojom-bavaka », izay natsangana tato anatin’ny 2 volana farany sy notokanana ny 8 Aogositra lasa teo noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Nanomboka ny 10 Aogositra araka izany dia « Mpitondra am-bavaka » miisa 31 no mifandimby isan-tarika sy isaky ny adin’ny roa, manatanteraka ny fitondrana am-bavaka ao amin’io trano io. Anisan’izany ireto raiamandreny mpandrindra ny Rojom-bavaka ireto izay mifandimby mitarika sy miara-mivavaka amin’ny isan-tarika ihany koa: Masera Danie sy Masera Elizabeth avy amin’ny Masera MAMRE FJKM, Mama Feno Jeanne (Iraka) mitarika ny mpitondra am-bavaka avy eto an-toerana ary Neny Volana izay mitarika ireo mpitondra am-bavaka avy any Antananarivo.
Mandritra ny vavaka dia mampiasa ny Bokikely tari-dalana ho an’ny vavaka mahakasika ny Synoda Lehibe izy ireo ; fa misokatra amin’izay rehetra itarihan’ny Fanahy masina azy ireo isanandro ihany koa, ho an’ny Fiangonana, ho an’ny mpanatrika synoda, ho an’ny sitrapon’Andriamanitra mba ho tanteraka amin’izay atao rehetra sy ny fanapahan-kevitra rehetra raisina mandritra izao Synoda Lehibe izao, … .
Hitohy hiara-hiombom-bavaka hatramin’ny farany isika, ho voninahitr’ilay Lohan’ny Fiangonana!!!

Mamy Danieline
Mpitondra am-bavaka