Jobily fihavanantsika
FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA
Ny Alahady 1 Aogositra 2021, 10 ora no nanokafana tamin’ny fombam-piangonana ny jobily fisotroandronon’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy sy ny faha-30taonan’ny fiaraha-manompo amin’ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana (1991-2021), hafohezina amin’ny teny hoe : Jobily fihavanantsika.
Fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, notronin’ny Foibe FJKM tamin’ny alalan’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, Andriamatoa Rakotonindrainy Jaona, Mpitandrina, izay nitory ny teny faneva hoe : « Kristy no fihavanantsika » (Efe 2. 14a).
Teo amin’ny asa vavolombelona no nilaza ny tantaram-panompoan’ny Mpitandrina sy nanambarana ireo nanao ny sary famantarana sy ny hira faneva ary nanehoana ny endriky ny trano homena ny Mpitandrina (trano misy fanaka). Sady fanokafana ny jobily no Alahadin’ny Mpitandrina io 01 Aogostra 2021 io.
Ny ivon’izao jobily izao dia hatao ny 1 Mey 2022 ary faranana ny 11 Desambra 2022, miaraka amin’ny Foibe FJKM sy ny Zanaka am-pielezana, ialohavan’ny fitokanana ny trano fonenana ny 10 Desambra 2022, tarihin’ny Synodamparitany.
José Ravoavison