SL XIX / nampisakafo ny synodista…

FJKM Ambilobe
Nampiantrano sy nampisakafo ny synodista.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanomanana ny synoda lehibe faha-19 ny FJKM Ambilobe Kristy Mpanjaka , ao anatin’ny SYNODAMPARITANY FARITANY VOALOHANY ANTSIRANANA (SPFVA 18).Nanohana ara-tsakafo maimaimpoana ireo mpamonjy Synoda lehibe rehetra nandalo teo Ambilobe ny Mpitandrina Isaia Marcel sy ny fiangonana manontolo.Afaka 24 taona indray vao mety handray ny Synoda lehibe ny faritra avaratra
araka ny nambaran’ Atoa ISAIA MARCEL, Mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambilobe Kristy Mpanjaka.
Anisan’ izay manosika azy ireo ny fahalaviran’ny lalana mihazo  an’ i Sambava, ary koa noho ny fahasarotan’ ny làlana Antsohihy mihazo an’ Ambilobe. Ankoatra izany dia  ho fanatanterahana ny Tenin’ny Soratra Masina hoe: “Mazotoa mampiantrano vahiny” no antony nanaovan’ izy ireo izao hetsika izao.