FANIRAHANA MPIASA 2017 .
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika…hianareo no fahazavan’izao tontolo izao » 2 Tim 1.8a ; Mat 5.14a
FANASANA
Ny Foibe FJKM
Ny Komitin’ny Fampianarana Teolojika
Ny Institut de Formation et de recherches Pédagogiques
Dia faly manasa antsika mpianakavin’ny finoana FJKM hisaotra sy hanome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny Fanompoampivavahana fanirahana ireo mpiomana ho Mpitandrina miisa 88 sy mpiomana ho Mpampianatra miisa 51 , mitondra ny anarana
« Andiany Vavolombelon’ny Fahazavana »
nahavita ny fiofanany teny amin’ny Toerampanomanana . Izany dia hotanterahina ny Alahady 30 Jolay 2017 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro , eny amin’ny Sehatra maitso Antsahamanitra .
Ento am-bavaka ny fotoana ho Voninahitr’ Andriamanitra