FFKM 40 Taona
FIOMBONAN âNY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM) 40 TAONA (1980-2020)
Notanterahana ny Alahady 29 Novambra 2020 tao aminâny Eglizy Katolika Romana Saint François Xavier Antanimena ny Fanompoampivavahana lehibe , anatinâny fanamarihana ny faha- 40 taona nijoroanâny FFKM teto aminâny firenena .
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohanâny Antenimieran-doholona Andriamatoa RAKOTOVAO Rivo ; ny Solotenan-dRamatoa Filohanâny Antenimieram-pirenena ,ny DĂ©putĂ© RAZAFITSIANDRAOFA Brunel ; ny Filohanâny HCC , RAKOTONARIVO Thierry ary ireo olo-manakaja maro Sivily sy Miaramila eto aminâny firenena .
Nitarika ny fotoana ny solotenanâny EKAR . Namaky ny teny avy aminâny Soratra masina , ny Pastora RAKOTOZAFY Denis , Filohanâny FLM .Nanao ny Ranombavaka Monseigneur Samoela Jaona RANARIVELO , Filohan âny EEM.Nitondra ny Hafatry ny TeninâAndriamanitra Reverend Docteur IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina (FJKM ) .
Hafatra :
«mifanaraha ianareo rehetra , ary aza mifanao ankolafiny , aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara » 1 Korintiana 1.10b . Antso ho anâny vahoaka kristiana mba hivondrona , hiray hevitra sy hiray saina ,tsy hisaratsaraka na hitsitokotoko . Kristy no ivo sy ankatoavina aminâny fanapahankevitra tsy mitovy ka izay tiany no ekena . Nanakoako tokoa ny firedonana ny Hira fanevanâny faha-40 Taona « Andriamanitra , lay Telo zay Iray : Ray ,Zanaka, Fanahy no tena mampiray »nandritra ny Fanompoampivavahana noredoninâny Antoko Mpihira SETA ,miisa anjatony .
Fitenenana sy vaovao :
Fantatra taminâny fandraisam-pitenenana nataonâny Filohanâny FFKM amperinasa ankehitriny , ny Monseigneur Odon Marie Arsene RAZANAKOLONA (EKAR ) , fa hisokatra ny Volana Febroary 2021 ny Ivom-mPampianarana Ambony momba ny Ekiomenika (IPAE) izay hanentanana ny mpitondra fivavahana ao anatinâny FFKM mba hisoratra anarana , hanatevim-pahalalana ao . Ny tanjona aminâizao fotoam-panamarihana ny faha- 40 taona izao dia ny fananganana ny onjampeo FFKM ,sy fameloman-tsoratra ireo Sampanasa efa mijoro eo anivonâny FFKM (SEVKRI, SEFAMP,SEFA,SETO,SEFIP, SETA..) . Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .
Site web/AFIFAB FOIBE
…………………………………………………………………………………………………………………………
Fiombonanâny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)
Fitambaranâireo Fiangonana zokiny efatra ara-tantara eto Madagasikara, ao anatinâizany ny :
-ny Fiangonanâ i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM
-ny Eglizy Katolika Apostolika Romana na EKAR
-ny Loterana Malagasy na FLM
-ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM).
Ny taona 1980 no niorenany ary niainga taminâny TeninâAndriamanitra manao hoe : « mba hinoanâizao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy », ary talohanâizay ny hoe : « Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra »Jaona 17 : 2 1 (DIEM) heverina fa ny fanatanterahana izany no antoky ny fananganana ny FFKM . Efa nisy taminâny taona 1948 ny « Conseil ĆcumĂ©nique des Eglises du monde » . Ny tanjona taminâizany ny fananganana ny Ekiominisma eto Madagasikara. Misy araka izany ny rafitra eo anivonâny FFKM, toy ny fivorianâny Zaikabe na « AssemblĂ©e gĂ©nĂ©rale » izay tanterahana isaky ny efatra taona, misy koa ny Komity foibe mivory isan-taona , ny Birao Foibe, izay misy solontena roa isaky ny fiangonana (Mpitondra fivavahana sy Laika).
Ahitana sampanasa valo ao anatinâny FFKM : Ny Sampanasa Ekiominika mombanâny Fampianarana (SEFA), Sampanasa Ekiominika momba ny fampitam-baovao (SEFAB),Sampanasa Ekiominika momba ny fampandrosoana (SEFamP), Sampanasa Ekiomenika momba ny Fiainam-Pirenena (SEFiP) , Sampanasa Ekiominika momba ny Teolojia (SET), Sampanasa Ekiominika momba ny Tanora (SETa), Sampanasa Ekiominika mombanâny toeram-panofanana Teolojia (SETO) ary ny Sampanasa Ekiominika ny Vehivavy Kristiana (SeVKri). Manana ny Toniany ny FFKM, izay mpitondra fivavahana, izy no mandrindra ny fifandraisana aminâireo sampanasa ireo sy mikarakara ny fifandraisana aminâny FFKM faritany sy FFKM firaisana ary FFKM fototra.
Tanjona noho ny faha-40 taona
Fananganana ny Onjam-peo FFKM. Araka ny maha-firaisam-piangonana nyFFKM dia misy ny zavatra iombonana, toy ny batisa izay tsy azo averina intsony raha toa ka efa vita taminâny Fiangonana iray ao anatinâny FFKM, eo koa ny fampianarana ny Ekiominisma eto Madagasikara; manana ny hira itambarany ao anatinâny fihirana« Miara-mizotra ».
Araka ny nambaranâny Filohanâny Komity fankalazana ny faha-40 taonanâny FFKM, Andriamatoa Bien AimĂ© RANDRIANANTENAINA, dia anâny mpino Kristiana rehetra ny FFKM, fa tsy anâolona voafetra akory, ka aoka samy ho voakasikâio faha-40 taona io avokoa, ary Andriamanitra no fahefana faratamponâny FFKM ao aminâizany.
Ny fankalazana ny faha – 40 taonanâny FFKM dia hotohizana hatraminâny taona 2021 ary ho faranana aminâny Zaikabe, noho ny zava-misy teto aminâny firenena raha tokony honifarana taminâity taona ity.
Lahatriniavo RANDRIAMANANTENA