Alahadin’ny AFF 2020.
LITORJIA IOMBONANA
ALAHADINâNY AFF
13 Septambra 2020
ï Sal. 89 : 8 â 18
ï Hira : 15
ï Vavaka fiderana
ï Feon-java-maneno
ï Hira : S.A
ï 5mn ho anâny S.A
ï Hira : 164 : 1,2
ï Soratra Masina :
ï· Gen. 42 : 18 â 21
ï· Mat. 21 : 23 â 32
ï· Fil. 2 : 12 â 18
ï Hira : 310 : 2
ï Toriteny : Gen. 42 : 18 â 21
ï Hira : Antokom-pihira.
ï Vavaka fifonana
ï Hira : 413 : 3, 4 ( mitovy feo @ 452)
ï Famelan-keloka : Jer. 15 : 19 â 21 ; Mar. 16 : 15b + Sambatra ny olona izay voavela helokaâŠ
ï Hira : 427: 2
ï Fanekem-mpinoana laharana faharoa.
ï Feon-java-maneno na antokom-pihira
ï Asa vavolombelona
ï Vavaka fanagatahana
ï Raharaham-piangonana
ï Hafatra avy aminâny AFF FOIBE.
ï Rakitra: 535( mitovy feo @ 194) + Antokom-pihira
ï Fanolorana: hira: 275: 1, 2 na vavaka
ï Hira: 622 ( feo zafindraony) na 430: 1, 4
ï Tso-drano: I Tes. 5: 22 â 24
ï Trinite Masina.
………………………..
TORITENY
PERIKOPA: Gen. 42 : 18 â 21 ; Mat. 21: 23 â 32; Fil. 2: 12 â 18
FANAZAVANA
Gen. 42: 18 â 21:
Mbola ampitomboina ho aminareo hatrany anie, ry havana, ny fahasoavanâilay Kristy Tompontsika, Izay Tomponâny fiantsoana ihany koa ho aminâny asa tsara. Amena.
Aminâity alahady hitondrana am-bavaka sy hanohana ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara ity ry fiangonana malala, dia izay ambaranâny bokinâny Gen. 42, izay novakiana teo no hifampaherezantsika. Efa tantara diso fanta-tsika loatra, ry havana, raha ny aminâny fivahiniananâireo rahaalahinâI Josefa tany Egypta, rehefa nisy mosary naneran-tany taminâizany fotoana izany. I Josefa no lasa governora tao aminâny faritanâny Egyptiana taminâizany fotoana izany. I Josefa izay lehilahy iray anisanâny nalaminâAndriamanitra ny fiainany mba hanavotana ireo fianakaviana indray andro. Asa fitoriana ny Filazantsara no resahina ry havana, satria izany no antom-pisianâny fiangonana eto aminâizao tontolo izao , dia andeha ho takarintsika ny iraka na ny misiona izay anirahanâny Tompo ny fiangonana anio.
Zavatra roa ihany no resahina ry havana, dia izao no amintinana azy:
MAMPIASA NY FIANGONANA NY TOMPO:
- Mba hamelona ny hafa.
Mosary no nanjaka teto amboninâny tany taminâizany fotoana izany, araka ny voalazanâny Soratra Masina, manodidina ity perikopan-tsika ity. Mosary izay nitondra fahoriana, fijaliana, aretina teo aminâny firenena maro, teo aminâny fiaraha-monina. Mosary izay mety nitondra fahafatesanâny olona maro teto ambonâny tany. Andriamanitra anefa aminâny maha Tomponâny tantara Azy, dia nanomana i Josefa, mba ho fitaovana hanafaka ny olony aminâizany mosary izany. Hamonjy ny olona, indrindra ireto taranakâi Jakoba, izay nofidinâAndriamanitra. âMpamonjyâ, izany no dikanâilay anarana izay nomenâny Farao anâ i Josefa, dia ilay anarana hoe: â Zafenata paneaâ. Nampiasa anâi Josefa Andriamanitra mba hanafaka ny olona ao anatinâizany mosary izany. Hoy izy: âIzao no ataovy dia ho velona ianareoâ(and. 18b). Manome baiko mba hahavelona ny hafa, mitondra ny hafa ho aminâny fahavelomana.
Ry havana, Jesoa Kristy no efa nomaninâAndriamanitra hanafaka ny olona tsy ho azonâny fahafatesana. Efa nomaninâAndriamanitra isika mba haniraka ny olona hanao ny sitraponâAndrimanitra izay, mahavelona azy. Maniraka antsika hitory filazantsara ny Tompo, mba hihaona aminâi Jesoa Kristy ny olona ka ho velona. Jesoa Kristy no manafaka ny olona ao anatinâny fahafatesanâny fahotana. Izy no nitondra ny fiangonana (izany hoe ny olona voantso rehetra) ho aminâny fiainana mandrakizay. Moa ve mba mahatsapa izany fahavelomana sy fanafahana izay efa nentinâny Tompo izany ve ny kristiana, ny fiangonana?
Ary raha toa ka efa afaka, efa velona ao aminâny Tompo ny fiangonana, ny krsitiana,dia maniraka azy indray ny Tompo, mba handehanany hanafaka ny fiaraha-monina, eny, ny firenena aza, mba tsy ho tratranâny fahafatesanâny fahotana. Tadidio ry havana, fa ny filazantsara, dia Jesoa Kristy velona, ihany no manafaka ny olona aminâizany fahafatesana izany. Koa mandehana ianao ry fiangonana, ka mitoria ny filazantsara aminâny olombelona rehetra mba hahavelona azy. Hitarika azy ho aminâny fiainana mandrakizay, dia ao aminâny Jesoa kristy izany. - Ao anatinâny fahatahorana Azy
Josefa dia nilaza taminâireto rahalahiny, izay tsy mbola nahafantatra azy, taminâizany fotoana izany, matahotra anâAndriamanitra izy. âMatahotraâ anâAndriamanitra, tahotra mitondra ho aminâny fankatoavana, tahotra miteraka ny fanatanterahana ny baikonâAndriamanitra, ny asanâAndriamanitra, tahotra mitondra ho aminâny fanatanterahana ny fahamarinanâAndriamanitra. Ary izany no nahatonga ireto rahalahiny, nahatsiaro ny fahadisoany (and. 21), satria nahatsiaro fa tsy mba natahotra anâAndriamanitra taminâiny fotoana iny, izay nampitondrana fahoriana anâi Josefa rahalahiny.
Ry havana, zava-dehibe ny fahatahorana anâAndriamanitra eo aminâny fiainanâny fiangonana. Eto mantsy ry havana, dia voaporofo fa mitondra fahavelomana ho anâny hafa ny fahatahoranâny fiangonana Andriamanitra, izay niantso azy ho aminâizany asa izany. Tandremo Ă ry sao variana isika fiangonana, ka velona tokoa, noho ny aminâi Jesoa Kristy, nefa tsy mba mamelona ny hafa akory, tsy mba manafaka ny fiaraha-monina aminâizany fahafatesanâny fahotana izay tena manjaka tokoa, aminâizao andro farany izao. Aza mirehareha fa ataovy tokoa izany asa izany, ho voninahitrâIlay Tompo efa niantso antsika, mba hanatanteraka izany. Alahady faharoa aminâity volana Septambra 2020 ity, anio, izay ibanjiantsika ny lohahevitra hoe: MiasĂ aminâny fahatahorana anâAndriamanitra. Koa tadidio ry fiangonana fa efa nanomana antsika ny Tompo, sy maniraka ary mampiasa antsika ankehitriny, mba hitondra fahavelomana ho anâny hafa, hitondra Ilay Jesoa Kristy Velona eo aminâny fiainanâny firahamonina, sy ny firenena. Mba hahatonga azy ho velona mandrakizay, tahaka antsika ao amin’iJesoa Kristy. Tsy izany ihany anefa fa miasĂ tokoa, ry fiangonana, ka aminâny tahotra anâAndriamanitra sy fahamarinanâi Jesoa Kristy no hanatanterahintsika izany. Aminâny fanetren-tena, miaraka aminâny Tompo. Mahereza fa ny Tompo no momba antsika eo aminâny fanatanterahantsika izany.
Dia ho anâAndriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena
…………………………………………………………………………….
HAFATRA
ALAHADINâNY AFF FJKM
13 SEPTAMBRA 2020
Ny AFF Foibe FJKM mamangy ny fiangonana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
(Gal 1/3)
Misaotra an’Andriamanitra hatrany isika ny aminâny fahasoavany sy ny fitahiany antsika ; fa na dia eo aza ny zava-manahirana amin’ny endrika samihafa naterakin’ny CORONA VIRUS, dia mbola tafajoro ny fiangonana, mbola mahatanteraka ny antom-pisiany hatrany aminâny fitoriana, ny
fanaovana adidy sy rakitra, ny fanaovana asa sosialy eo anivonâny fiarahamonina sns. Hoy ny Soratra Masina hoe « misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitraponâAndriamanitra ao aminâny Kristy Jesoa ho anareo » I Tes 5/18
Tsy hay koa ny tsy hisaotra antsika rehetra aminâny ezaka nataontsika ho fanohanana ny asanâny AFF na eo aminâny fitandremana izany na eo aminâny SP indrindra ny aty aminâny Foibe. Isaorana araka izany ny sampana, ny synodamparitany, fitandremana, « poste dâĂ©vangelisation » ny
fianakaviana sy olona manokana izay nanolotra taminâny fitiavana ho fanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Azontsika jerena aminâny bokikely misy ny tatitra ny antsimpirianâny nanao rakitra sy adidy.
Mifampahery hatrany isika amin’ny iraka nampanaovin’i Jesoa Kristy antsika dia ny fitoriana ny Filazantsara: tsy hanaiky resin’ny zavatra mitranga isika satria manana Andriamanitra mahery tsy hay tohaina izay naniraka antsika hanao ny asany ary matoky ny fitondrany hendry. Fa ny asanâAndriamanitra sy ny fahasoavana natolony ho anâny olona no naha-loa-bava anâi Maria ka nitenenany hoe « fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko ; ary masina ny anarany » Lio 1/49.
Noho izany dia hiezaka hifantoka amin’ny iraka napetraky ny Tompo @ Fiangonana isika ka hanatanteraka amin-joto sy aminâny finoana ny drafitra rehetra efa napetraka momba ny fitoriana ny Filazantsara.
Mifampivavaka isika ny aminâireo fandrindrana fandaharam-potoana rehetra: eo ny tokony notanterahina fa tsy vita ary eo koa ireo tokony mbola hatao. Na eo @ Fitandremana izany na eo amin’ny Synodamparitany indrindra ny aty aminâny foibe. Mifampivavaka isika fa hoy ny Soratra
Masina : « ny fiasanâny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » Jak 5/16
Mifampahatsiahy isika ny amin’ireo fifanohanana azo atao mba hahafahana manatontosa ny asa araka ny tokony ho izy toy ny efa mahazatra antsika rahateo. Ao anatinâizany ny rakitra alefa aty aminâny
AFF Foibe rehefa alahadinâny AFF toy izao.
Dia mamangy sy manao veloma antsika rehetra indray aminâny anaranâny Tompo ry havana ary ho tanteraka amintsika ny tsodranony manao hoe : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:2
Aminâny anaranâny Biraonâny AFF FOIBE FJKM
Ny Filoha
RAZAFIMAMONJY Dina, Mpitandrina
Ny Tale
RANDRIAMISAINA Triomphe, Mpitandrina