Alahadin’ny Sekoly 2020.
FANDAHARANA IOMBONANA

MIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO
1-Hira faneva faha-200 Taonan’ny Sekoly FJKM
2-Fiarahabana Apostolika
Ho amin’ny fanahinao anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo (Fil 4.23)
3-Fanatrehan’ Andriamanitra
Salamo 111.1-9
Hira 170
Vavaka fiderana
4-Ny Tenin’Andriamanitra
Hira 210.1-5
Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina
Vakiteny : Lev 19.16-18/ Mar 9.33-50/ Fil 2.1-4
Hira 205.4
TORITENY
5-Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy Fifonana
Hira 447.2-3
6-Famelankeloka
Teny famelankeloka : Jak 4.9-10
sambatra ny olona izay voavela ny helony … ( Sal 32.1,2)
Hira HF 26.1-2
7-Fanekempinoana (Biblika)
8-Asa avvolombelona
9-Vavaka fangatahana (ny FJKM , ny Sekoly, ny asa fanabeazana ataon’ny fiang)
10- Asan’ny Fiangonana
Raharaha (Fiang sy Sekoly)
HAFATRA
Rakitra : Hira 787 na hiran’ny Sekoly
Vavaka fanolorana ny Rakitra
11-Famaranana
Hira 486.4-5
TSODRANO
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra
Trinite Masina
HAFATRA
Avy aminâny FOIBE FITONDRAN-TSEKOLY.
Ry Havana malala ao aminânyTompo .
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan â i Jesoa Kristy sy ny fitiavanâ Andriamanitra ary ny firaisana aminâny  Fanahy Masina .Amena.
Galatiana 13.14
Miarahaba antsika rehetra indrindra ny fianakaviamben’ny Sekoly FJKM rehetra eto Madagasikara nahatratra izao Alahady natokana hitondrana am-bavaka sy ho fanohanana ny Sekoly izao. Ary misaotra ny PrezidĂ Synodaly , ny Mpitandrina rehetra , ianareo biraon’ny Fiangonana , ny Fiangonana manontolo manokana izao fotoana ho an’ny Sekoly FJKM manomboka hatraty amin’ny Foibe Fitondrantsekoly , ny FPMP , ny Sekoly tsirairay.
Ny Sekoly FJKM dia endriky ny fijoroana vavolombelona ataon’ny Fiangonana . Izany no nahatonga ny teny Fanevan’ny Sekoly manao hoe: « Ary ianareo dia vavolombelona manambara  » Jao 15.27a
Koa manentana antsika FJKM rehetra mba hitodika amin’ireo Sekolintsika ary hatoky azy ireny mba ho fijoroantsika ho vavlombelon’iJesoa risty Tompontsika .
Misaotra ny Talem-paritra , ireo Talen-tSekoly ary ireo Mpampianatra sy ny mpiara-miasa rehetra ao aminn’y Sekoly FJKM noho ieo ezaka lehibe nataonareo hampandrosoana ny Sekoly na dia ao anatin ‘ny fahasarotana aza . Hoy ny Tompo : « Fa naharitra amin’ny fanahy iray ianareo ma mray ho hiara-miezaka hampandroso ny fonoana ny Filazantsara » Fil 1.27b
1-Mandalo fotoan-tsarotra isika ankehitriny noho izao Covid-19 izao . Manoloana izany dia mampahery ny Sekoly FJKM rehetra , ireo Talen-tSekoly , ireo Mpampianatra. Mahereza mivavaka fa momba antsika hatrany Andriamanitra .
2-Mikorontana avokoa ny fandaharam-pianarana rehetra ary misy aza ireo voatery nofoanana toy ny Andronâny Sekoly. Ny fanadinana andrana dia samy hanao izay tandrifiny . Ny fanadinam-panjakana kosa dia miandry ny fandaminanâny fanjakana isika .
3-Aoka mba hampahafantatra ireo Ray amandreny ny zava-misy ao aminâny Sekoly ny Talen-tSekoly ka handray fanapahankevitra iombonana eo aminâny saram-panarana.
Farany , ry Havana ,mahereza ao aminâny Tompo isika rehetra ary hifampivavaka mandrakariva.
Hitahy anareo anie ny Tompo . â mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapony ianareo aminâny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy aminâny Fanahy ; mba handehananareo miendrika ny Tompo , hanaovana ny sitrapony aminâny zavatra rehetra, dia mahavokatra aminâny asa tsara rehetra sady mitombo aminnây fahalalana tsara anâAndriamanitraâ (Kol 1.9-10)
Ho anâ Andriamanitra irery ny Voninahitra
Ny Tonianâny Departemantanâny Sekoly FJKM
RAKOTONDRANAIVO Domoina