SP 11/FJKM Anjomakely Kristy Firaisana
NAMARANA NY FANKALAZANA NY FAHA-140 TAONANY SADY MANOKATRA NY FANKALAZANA NY FAHA-150 TAONANY
Tao anatinâny roa andro no nifaly nanamarika ny fotoam-pamaranana ny fankalazana anâAndriamanitra noho ny faha-140 taonany sady nanokatra ny faha-150 taonany ny Fiangonana izay misy ny Mpitandrina RAKOTOARISOA Zouzou.
Ny Talata 10 Desambra 2019 no fotoam-pivavahana niarahanâny Fiangonana taminâireo vahiny nasaina toy ny Foibe FJKM izay nahitana ny MF (Mpiandraikitra Foibe): ANDRIAMALALA Solomon Jean DĂ©nis, Mpitandrina; Ny Biraonâny Synodamparitany Antananarivo Atsimo, tarihinâny Prezida Synodaly RABELISON H. ManassĂ©, Mpitandrina, ny solontenam-piangonana avy aminâireo Fiangonana rehetra ao anatinâny Synodamparitany Antananarivo Atsimo-SPAA11, niampy ireo Mpitondra Fanjakana sivily sy miaramila ary ireo namana sy tapaka, sakaiza izay nitondra am-bavaka sy nanome tanana taminâny fomba maro samihafa ho fanampiana ny ezaky ny Fiangonana. Ny Alahady 15 Desambra 2019 kosa no fotoana manokana ho anâny mpino ao an-toerana sy ny zanaka ampielezana.  Â
Nitarika ny fotoam-pivavahana taminâizany fotoan-dehibe roa sosona izany, ny Birao SPAA11, RANDRIANARISON Emmanuel, Mpitandrina ary nitondra ny hafatrâAndriamanitra ny Birao SPAA11, RANDRIANOMENJANAHARY Narivelo Nirina, Mpitandrina ka ny teny fanevanâizao fety roa sosona izao, izay nalaina tao aminâny Efesiana 4:3 sy 12, no noraisiny nataony fototra niaingana ary nilazany fa ny Fiangonana dia mety maty raha tsy mitandrina ny mpino, ka mifandray ary mifikitra tanteraka, aminâi Jesoa Kristy Lohanâny Fiangonana. Telo lehibe, no andry sy fototra ahafahana miaro ny Fiangonana tsy ho rava ka ho faty :
1/ Ny fitazonana ny firaisana aminâny fehim-pihavanana satria, izay tsara fihavanana aminâAndriamanitra irery ihany no afaka mihavana, ary ny Ranâi Jesoa Kristy nilatsaka teo aminâny hazofijaliana no fampiraisana sy fehim-pihavananâny mpino, koa tsy tokony hifanaratsy sy hifanenjika mankany aminâny fahaverezana ny kristiana noho izany, satria dia hiaraka ho very any aminâny afobe sanatria no hiafarany.
2/ Ny fanompoana tanterahinâny mpino satria, ny talenta anananâny tsirairay rehefa entina hanomezana voninahitra anâAndriamanitra izany dia manjary fanomezam-pahasoavana avy aminâi Jesoa Kristy ka ny Fiangonana izay anâi Kristy no lasa tompoinâny mpino sy hiasany ampanetren-tena, noho ny fanahinâny fanompoana izay avy taminâi Kristy Jesoa, monina ao anatiny.
3/ Ny fandrosoanâny Fiangonana izay miseho sy hita taratra eny ivelany, toy ny fisianâny fotodrafitrasam-piangonana mihatsara hatrany sady mitombo ihany koa. Torakâizany ny fitombonâny isanâny mpino izay firafetanâny vatanâi Kristy Jesoa, sy ny fisianâny tetikasa tsy mijanona ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.
Aminâizao taona 2019, ankalazana ny faha-200 taona ny Sekoly FJKM izao dia tsara ny mampahafantatra, fa manana Sekoly fanabeazana fototra (Ecole Primaire) sy Sekoly ambaratonga faharoa fototra (CollĂšge dâEnseignement GĂ©nĂ©ral) ny FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, ka Rtoa RAHARIMALALA Fanirisoa Tatiana no Talenâizany seha-pampianarana roa sosona izany, ary am-pifaliana no nilazany fa tsara hatrany ny voka-panadinana ao aminâny Sekoly tantaniny isan-taona. Raha ny vokatra azonâny Sekoly FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, taminâity taom-panadinam-panjakana 2019 ity, no ambara, hoy izy, dia mahafinaritra tahaka ny isan-taona ihany koa, satria 92% no vokatra azo taminâny fanadinam-panjakana CEPE ary 81% ny vokatra azo taminâny fanadinam-panjakana BEPC.
IMANOELA ËSFË