Fahaiza-mitantana

MAHAY MITARIKA FIVORIANA VE ISIKA ?

Mialoha ny fitarihana ny fivoriana, dia misy zavatra tsy maintsy homanina mialoha. Tsy misy azo atao maivana sy kitoatoa ireto dingana horesahana manaraka ireto, dia ho fivoriana lavorary no hisy, ary hahafaly ny mpivory ny mandray anjara amin’izany.

FANOMANANA ( 50%)

Misy fanomanana ara-tsaina : inona ny lahadinika hivoriana, inona ny tanjona hahatongavana, inona ny drafitra hitondrana ny fivoriana. Misy koa ny fanomanana ara-pitaovana : ny toerana hivoriana, ny fitaovana hampiasaina, ny fandraisana ny mpivory, ny tahirin-kevitra ilaina. Vita ny 50% amin’ny asa, rehefa ity fanomanana ity no voalamina tsara. Ny fivoriana no lavorary tsara, dia ny fanomanana ara-tsaina sy ara-pitaovana no mipetrapetraka tsara.

FIVORIANA ( 20%)

Raha hitarika fivoriana isika, dia aoka tsy ho mpivory hamoaka sosokevitra, fa ho mpitarika hatrany. Ireto ny zavatra miandry ny mpitarika fivoriana : mitarika ny mpivory ho any amin’ny tanjon’ny fivoriana, manana ny toetra takina amin’ny mpitarika fivoriana, mitarika ny fivoriana araka ny Fitsipika, mitana ny fe-potoana voatokana hivoriana, mibanjina hatrany ny vokatra. Araho ary aza misy asiana latsaka ireo zavatra voalaza ireo, dia ho mpitarika fivoriana mahay isika.

Fahadisoan-kevitra lehibe eo amin’ny mpitarika ny miziriziry hampanaiky izay hevitra arosony hodinihan’ny mpivory. Raha nantsoina hivory ny rehetra, ary hanapa-kevitra no anton’izany fa tsy fampitam-baovao fotsiny, dia avela ny mpivory hikaroka izay hanatsarana io tolokevitra nomena hodinihiny io, fa ny mitana ny fitarihana voalaza teo aloha kosa no anjaran’ny mpitarika. Vita ny 20% amin’ny asa rehefa toy izany ny fitarihana ny fivoriana.

TATITRA (30%)

Raha ela indrindra, dia 36 ora aorian’ny fivoriana, no tsara hivoahan’ny Tatitra. Mandritra izany fotoana izany no tsara ny fitadidiana sy ny fahatsiarovana. Aorian’izay, dia efa mamotsotra ny fitadidiana, ary manova mihitsy izay tapaka aza io fitadidiana mamotsotra io. Satria izay naharesy lahatra ny mpitantsoratra ihany no tavela maharitra ao an-tsainy amin’izay fotoana izay. Vita ny 30% amin’ny asa miandry, rehefa voatatitra ny asa notakin’ny fivoriana.

A.Zaka, Mpitandrina