SFL / Alahadin’ny SFLaika
Alahady Sampana Fivondronana Laika FJKM

Alahady 21 Jolay 2019
MANATRIKA NY MINO NY TOMPO
-Fiarahabana Apostolika
Hira Faneva 200 taona SekolyFJKM
-Fiderana sy Fisaorana Salamo 35,27-28
Hira 8 : Dera laza hery haja
Vavaka Fiderana sy fanatonana anâ Andriamanitra
Fankalazana nyTeninâ Andriamanitra
Fotoana ho anâ ny Ankizy sy ny tanora
Hira 787.1 « Zay mahakolokolo Tantara na tsianjery na âŠ
Hira 550 « Ry Tompo Î ny tany maina »
Vavaka SM : II Tantara 6,1-6
Marka 6,47-56
I Korintiana 14,23-25
Hira 1791.4 Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa
TORITENY
Feon-javamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova
Hira 281 « Zanahary tsy mba tia »
-Famelan-keloka : Mar.8,34
Hira 1661.2 Derao ny Tompo lehibe
-Fanambaram-pinoana
Asanâ ny Fiangonana
Hira Faneva SFL + Famakiana ny Hafatra avy aminâ ny Foibe SFL
Hira 40 taona Laika Foibe Raharaham-piangonana
Rakitra : Hira Sampana
Fanolorana ny rakitra :Hira na vavaka
Asa Vavolombelona : Batisa âŠ
Vavaka fisaorana sy fangatahana + RainayâŠ
Famaranana
……………………………………………………………………………………………………………………….
TORITENY
MANATRIKA NY MINO NY TOMPO
Perikopa : II Tantara 6,1-6 ; Marka 6,47-56 ; I Korintiana 14,23-25
Hanapaka ao am-pontsika tsirairay avy anie ny fiadananâ i Kristy. Mankalaza ny faha 40 taona isika Laika FJKM mandritra ity taona ity, ary dia novoizintsika mafy ny Fanahim-pahafoizana hiatrehana izany sy ny asa rehetra izay atao. Niasa tokoa ny Fanahy, nitongilana kokoa taminâ izany Fanahim-pahafoizana izany isika, ka dia fointsika ny vola aman-karena mivantana nenti-nanao ny asanâ Andriamanitra, manoloana ireo Hetsika mila tambiny samihafa. Ankoatry ny vola aman-karena Ă ry, misy karazany hafa koa ve tokony afointsika ve? Iainantsika FJKM aminâ ity volana Jolay ity ny hoe âManatrika ny mino ny Tompoâ, koa andeha horaisintsika manokana ny Mar.6,47-56, itarafantsika koa ireo Fahafoizana hafa ankoatry ny vola aman-karena ahombiazana aminâ ny asanâ Andriamanitra. Isintonantsika lohateny izany manao hoe : MANATRIKA ANAO NY TOMPO KOA MILA MAHAFOY IANAO.
1.Manatrika anao ny Tompo koa afoizo ny Tahotra sy Fisalasalana (Mar.6,47-52)
Ny hariva ka mandra-maraina ny tantaranâ ny Mpianatra teny ambony Sambokely eto. Raha zohina dia ireto avy no nanjo ireto mpianatra ireto. Na dia efa za-draharaha aminâ ny famoriana sambokely ary izy ireo dia âsahirana nivoy fatratraâ and.48 ânotohain’ny rivotraâ; nony mamatonalina dia tratry ny fisalasalana ny aminâ i Jesoa izay ânataony ho matoatoaâ and.49, hany âka dia raiki-tahotraâ and.50 avokoa izy ireo. Ny tsy fantany anefa, dia manatrika azy ireo ny Tompo na lavitra na akaiky: âIzy irery ihany no teo an-tanetyâ and.47 ânitsangantsangana tambonin’ny ranomasina Jesoa ka nikasa handalo azyâ and.48. Miampy ny fiakarany an-tsambokely ka nitenenany hoe : âMatokia, fa Izaho ihany ; aza matahotraâ and.50. Ny fanatrehanâ i Jesoa ny mpianatra, dia tokony AMOIZANA izay rehetra mety ho tahotra sy fisalasalana rehetra
Nisalasala sy natahotra ihany Solomona mpanjaka araka ny II Tan.6,1-6 ny aminâ ny hoe ho vita sa tsia ny Tempoly hitoeranâ ny anaranâ i Jehovah sy ny fitohizam-panjakanâ i Davida rainy. Fanahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana ny fanekem-pinoanâ i Solomona eto âfa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny anarako, ary nifidy an’i Davida Aho hanapaka ny Isiraely olokoâ and.6. Mbola mitohy izany mandraka ankehitriny, raha vao mahafoy tahotra sy fisalasalana ny mpino, dia tena Tempolinâ Andriamanitra tokoa, ary Jesoa no fitohizana avy aminâ i Davida manjaka aminâ ny fiainany. Tononina ho fitohizam-panahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana izany, satria Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina mihitsy no manatrika.
Raha tadidintsika ny tantara ao aminâ ny Mar.4,35-41, ny aminâ ny nampitsaharanâ i Jesoa ny tafio-drivotra hanaporofoana izany. Tahotry ny ho faty taminâ ireo mpianatra vokatry ny tafio-drivotra ka namohazana anâ i Jesoa, nitenenanâ izy ireo
âTsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?â Mar.4,38. Niteny Jesoa rehefa avy nampitsahatra ny tafio-drivotra :
âNahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola mana-pinoana va hianareo?â Mar.4,40; Fanahim-pahafoizan-tahotra no tsiahivinâ i Jesoa aminâ ny mpianatra, ary porofoinâ i Jesoa fa manatrika azy ireo mandrakariva Izy, na dia mihevi-tena fa efa ho faty aza izy ireo.
Manatrika antsika isanâ andro Jesoa, aminâ ny toerana rehetra, aminâ ny fotoana rehetra. Noho ny fahasahiranam-piainana anefa, noho vidin-javatra toa miakatra foana ka mahatonga antsika toa mivoy lakana foana, kanefa tsy tonga aminâ izay mety ho tanjo-tratrarina akory, noho ireo karazam-pivavahana, eny mety ho karazam-pinoana hafa mampanonja ny fiainantsika ankehitriny, noho ny toe-draharaham-pirenena samy manana sy mampidera ny lokony, dia misalasala isika. Fanahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana no atolotra anao, satria averina ihany, manatrika antsika Jesoa, ary rehfa fointsika ireo mandrha hoa azy Fahafoizam-pananana ho aminâ ny asanâ Andriamanitra.
Mahafoy fananana, ampandrosoana ny asanâ Andriamanitra, moa ve isika mahafoy ny ratsy koa, sao lasa sakam-pitohizam-panompoana ny Tompontsika. Mbola misy koa fanahim-pahafoizana hafa anatrehanâ ny Tompo antsika.
2.Manatrika anao ny Tompo koa afoizo koa ny Fahalainana sy Fiheveran-tena manokana. and.52-56
Any Betsaida no tanjonâ ny mpianatra, nentinâ ny rivotra tonga tany Genesareta. Mahavariana izany, kanefa hita fa tena fandaharana tianâ i Jesoa iarahana aminâ ny mpianatra.
Inona indray no miavaka eto? Tsy izay tianâ ny mpianatra no atao, fa efa voasoritra mialoha ny lalan-kalehany, mafy fo rahateo izy ireo ka ela vao tena nino ; Vao nahare ny fiavianâ i jesoa ny olona teo an-tanana dia niolomay nanatona : ânahalala an’i Jesosy niaraka tamin’izay ny olona teo ka nihazakazaka tamin’izany tany rehetra izany ary nitondra ny mararyâ 54-55 ; fisehonâ ny Voninahitrâ Andriamanitra taminâ ny alalanâ ny fanasitranana âary sitrana izay rehetra nanendry Azyâ 56. Ny fanatrehanâ i Jesoa no nanafoana ny fiheveran-tena ho mahay teo aminâ ny mpianatra, izany fanatrehany izany koa dia nanainga ny olona hanatona Azy faranâ izay haingana. Misy ady aminâ ny fahalainana eto satria samy te ho sitrana. Ary mbola io fanatrehany io ihany koa, no nisehoanâ ny Fahagagam-pahasitranana tsy araka izay mahazatra ny olona, satria fanendrena ny lambanâ i Jesoa fotsiny dia efa nahasitrana ny olona.
Perikopantsika koa ny I Kor.14,23-25 enti-manamafy izany. Ny fanatrehanâ ny Tompo taminâ ny alalanâ ny Fanahy Masina no nahatonga ny olona haminany sy hiteny aminâ ny fiteny tsy fantatra. Fa ny vokany no miavaka eto: âdia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.â Rehefa nahafoy tena tanteraka ny mpanara-dia anâ i Jesoa, nahafoy ny maha-izy azy, natrehanâ ny Tompo taminâ ny alalanâ ny Fanahiny, dia mahavita zava-mahagaga tsy tratry ny saina hoheverina.
Ny Teny Fanevantsika Laika aminâ izao faha-40 taona izao :â ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.â Jak.2,18. Mamporisika ny Apostoly Jakoba fa ny Finoana dia ny fanatrehanâ Andriamanitra, ary ny asa dia ilay fahafoizan-tena, ka tsy hiheveran-tena ho mahavita irery, fa fahafoizana ho anâ Andriamanitra tanteraka. Koa raha tiana ho tanteraka ilay atrehanâ ny Tompo, dia tokony afoy ny fahalainana, afoy ny karazam-pidedahana hiheveran-tena fa hoe mahay aho ka tsy mila ny hafa, indrindra afoy izay fiheveran-tena ho ambony sy be voninahitra. Manetre tena tahaka anâ i Jakoba nanoratra ity Epistily ity.
Akaiky ny farany. Mila tena haingana isika mampihatra ny Fanahim-pahafoizana hitsenana anâ i Jesoa, tahaka ireo olona nihazakazaka nitady famonjena taminy. Ny fahafainganana dia fahafoizana hakamoana sy halainana. Aoka tsy hosongonanâ ny programam-pirenena ny fahafainganantsika satria tsy maintsy torina hatraminâ ny faranâ ny tany ny Filazantsara. Miharatsy koa ny fiainana, koa ndao hoafointsika koa ny fiheveran-tena manokana sy ny fijejoana ara-pilazantsara. Afoizo avokoa izay mety ho sakana avy aminâ ny tenantsika tsy hibaribarianâ ny voninahitrâ Andriamanitra.
Voarefinao ary ve ny fahafoizan-tenanao, sao mantsy tsy tody hatraminâ ny farany izay mba eritreretinao ho fitoriana, fa lasa endrikendrika ivelany sy fidedahana fotsiny.
Fanahim-pahafoizana? Ilaina tokoa ny fahafoizana vola aman-karena tsy misy tambiny ahavitana ny Asanâ Andriamanitra. Ny Fanatrehanâ ny Tompo ny fiainantsika isanâ andro anefa dia miteny amintsika, fa mibahana aminâ ny fanahim-pahafoizana ireto: Fahafoizan-tena sy ny ananana rehetra; fahafoizana ny ratsy toy ny fisalasalana rehetra fahalainana, hakamoana, tahotra; fahafoizam-pombapomba sy fidedahana maro isankarazany. Ho anâ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra. Amen!
HAFATRA
Ry havana, hanapaka ao am-ponareo anie ny Fiadananâ I Kristy
Ny Birao sy ny Tonia eto anivonâ ny Sampana Fivondronana Laika Foibe, dia mamangy sy mirary ny Fiadananâ nyTompo Jesoa ho anâny Vahoakanâ Andriamanitra rehetra eto anivonâ ny FJKM mahatratra izao Alahadinâ ny SFL 2019 izao.
Arahabaina manokana ny mpikambana Laika rehetra eny anivonâ ny VFL isam-pitandremana sy ireo VPL isaky ny synodamparitany izay tsy nikely soroka teo aminâny Asa fanompoana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny sampana , ny Fanahy Masinâ Andriamanitra anie hanamafy orina hatrany ny finoantsika ary tsy ho diso anjara aminâny fanatrehanâny Tompo.sy ny fombĂ ny anie isika rehetra aminâny Asa vavolombelona mbola hanirahany antsika aminâny ho avy rehetra.
Manan-danja manokana izao Alahadinâny SFL 2019 izao satria ao anatinâny taom-pankalazĂ na anâ Andriamanitra noho ny ny faha 40 taona nampijoroanânyTompo azy ny SFL ; Efa am-perinasa tanteraka ny komitinâny fankalazana ary toerana maromaro tany aminâny faritany no efa nanatanterahana izany fanamarihana izany. Isaorana ny Komity aty aminâny Foibe SFL miampy ireo Komity Foibe sy VPL ary VFL rehetra nahatontosa ireny hetsika ireny ho Voninahitry ny Tompo. Mbola misy toerana vitsivitsy hanatanterahana nyanjarany ary any aminâny Fihaonambe any Manakara ny 23 kahatraminâny 27 Oktobra 2019 ho avy izao no atao ny fiaraha-mientana iombonantsika rehetra. Hangonina any Manakara io ny boatin-drakitra Befasy mamangy ary ho fantatsika misimisy kokoa eo ny fandrosonâny Asa aminâny tsangambatonâizao faha 40 taona izao dia ny Fiangonana ao Befasy Morondava.izany. Mahafaly ny mahafantatra fa mitombo hatrany ny isanâireo kristiana ao aminâ io Vondronâolonamiara-mivavaka ao Befasy io na dia azo lazaina fa toerana mbola tena maizina aza izany toerana izany aminâny lafiny ara-pinoana.
Ampirisihana sy ankasitrahana hatrany ny Komitinâny faha 40 taona sy ny VahoakanâAndriamanitra rehetra mba hanohy ny ezaka natomboka ary hifanome Tanana hatrany hahatanteraka ny tanjona aminâizao taom-pankalazĂ na izao
Raha ny fiainana ankapobenâny SFL kosa no asian-teny dia azo ambara fa ,na teoaza ny fahasahiranana samihafa aminâny fanatanterahana ny asa dia aminâny fifaliana no izarana amintsika fa mahatanteraka ny adidy fanohanana ny Poste dâevangelisation isika SFL ho fanampiana ny Asa fitoriana ny Filazantsara ataonânyFoibe FJKM ary nahatontosa ny anjara taminâny jobily faha 50 taonanânyFJKM sy faha 200 taonanâny LMS nandritra ny taon-dasa 2018 iny.
Mandroso tsara ny fanapariahana ny boky kely ALIM-PIAMBENANA izay vokarintsika SFL
Mahafaly koa ny ilazĂ na fa 2 sisa ireo synodamparitany mbola tsy misy VPL ary ny iray aza dia efa eo an-dalam-pananganana ankehitriny. Toa izany koa ny fitomboanâny isanâireo VFL miorona sy notokanana isam-pitandremana hahatsiarovana fa mihamazava aminâny Fiangonana toko ankehitriny ny antom-pisiana sy ny zava-kendrena ary ny votoatim-pitaizana tanterahana eo anivonâny sampana Laika FJKM.
Mandroso hatrany koa ny fanatanterahantsika ny tetikasa LA.MA.KO.(na LAika MAndĂ KOlikoly) izay hijoroantsika vavolombelona eo anivonâny fiaraha-monina sy ny firenena. Entanina isika rehetra mba hiaina sy hanaparitaka ity tetikasa ity aminâny sehatra rehetra.
Tsaroana ny fitantananâ Andriamanitra nahazoantsika nahatanteraka ireny asa ireny kanefa isaorana manokana koa ireo Komity Foibe sy VPL ary VFL rehetra nifanome tanana sy niray saina ka nanolotra ny fanomezam-pahasoavana samihafa nentina nanao ny asanânyTompo.
Mahakasika ny Fihaonambe sy Zaikabe dia tapaky ny Fivorianâny Mpiandraikitra Foibe FJKM farany teo fa any Manakara ny 23 ka hatraminâny 27 Oktobra no hanatanterahana izany. Efa mitsangana sy miasa ny komity mpanomana any Manakara sy aty aminâ ny Foibe koa mangataka antsika Laika rehetra hanohana sy hitondra am-bavaka azy ireo sy ny asa fanomanana rehetra. Kendrena ny hanatsarana hatrany ny endrika sy vontoatinâny Fihaonambe mba ho fotoana hanovozam-pinoana sy fahalalana ary hanamafisana hatrany ny fiombonana sy firaisankinanâny Laika FJKM io fotoana io. Eo koa no hanovozantsika paikady sy fanentanana entina manohy ny asa mandritra ny efa taona manaraka 2019-2023.
Eto am-pamaranana dia indreto misy zava-dehibe vitsivitsy hanafarana antsika manokana
- Hamafiso hatrany ny fiainam-bavaka sy ny fandalinam-pinoana
- Hateveno hatrany ny firaisankina sy firaisan-tsaina eo aminâny samy Laika,ny asa iombonana izay anentanana ny VPL,VFL aminâny fanatanterahana ny Adidy SFL, sy ny fampiakarana ny Rakitra aty aminâny foibe SFL.
- Aoka hiomana tsara hanatrika ny Fihaonambe sy Zaikabe ary hivavaka sy hifanohana aminâny fikarakarĂ na rehetra momba izany
- Iaino ka ampiharo aminâny fiainanao andavanâandrony Etikanâny Laika FJKM sy ny Laika MAndĂ Kolikoly LA.MA.KO.
- Tohano ny Sekoly FJKM izay mankalaza ny jobily faha 200 taonany
- Tohano sy ento am-bavaka mandrakariva ny Foibe FJKM, ny SFL, ny VPL sy ny VFL rehetra
- Mivavaha ho anâny firenentsika mba hanjakanâny Fahamarinana sy ny Fiadananâ Andriamanitra ny Tanindrazantsika.
Dia manao veloma finaritra antsika aminâny AnaranânyTompo Jesoa ary maniry ny hifanatri-tava amintsika Laika rehetra any aminâny Fihaonambentsika any Manakara, hijoroantsika Vavolombelona aminâ ny alalanâ ny teninâ Andriamanitra hoe : âFa izaho kosa haneho aminao ny finoako aminâ ny asakoâ Jak.2,16. Ho VoninahitrâAndriamanitra.
Aminâny Anaranâ ny Birao Foibe SFL
Ny Filoha
Benjamin ANDRIAMPARANY RADAVIDSON
Hira Faneva SFL
Fa nantsoina isika izao
Fa nantsoina isika izao
Ankalaza azy Ray
Nefa misy tiany atao
Inona izao antso izao
Mitsangana; mihazavaha
Ndeha vitao ny asanao
Fa mihoatra noho ny hafa
Ilay fanompoana atao
Moa tsy izay ataonareo
Mihoatra noho ny sasany
Dia ny Tompo no jereo
Manaraha ny asany
Hira Faneva 40Ăšme
Inty aho ry Tompo
1.Foana ny finoana raha tsy misy asa
Hahavelona azy dia tsy maintsy miasa
Réf: Inty aho ry Tompo
Vonona hanompo
Haneho ny finoako
Ny finoako aminâny asako
2.Maro âreo asa izay ho tanterahina
Hahefana ireo dia mifanome tĂ nana
Réf:
3.Tsy mba ho mpandova
Ireoâzay tsy mba maharitra
Izay tsy miova no handova lanitra
Réf:
……………………………………………………………………………………………………………………………….
Ny Filoha sy ny Biraonâny SFL ary ny Tonia dia mankasitraka antsika rehetra taminâny fiarahana midera anâAndriamanitra, indrindra ny fitondranareo am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika
Mirary ny fiadananâny Tompo Jesoa ho amintsika rehetra.
SOLA DEO GLORIA
……………………………………………………………………………………………………………….