TSIANJERY KRISMASY

VAVAKA

Tompo ô Amin’izao Noely izao

Tongava Ianao hanavao

Ny fiaimpiainan’ny tsirairay

Indrindra ny eto aminay

Omeo Noely soa sahaza

Na lehibe e na zaza !

Ireo Mpitondra fanjakana

Ny Mpitantana fiangonana…

Na manampatra fahefana

Miaina anaty fialonana

Na ireo tsotra , tonga lafatra !

Samy omeo Noely sambatra

Na ireo tia fivavahana

Na izay mandeha mahalankalana

Ireo ory sy mahantra

Na izay manam-be zay tratra

Omeo Noelim-pamonjena

Samy hahay hanetry tena

Ny tsy mahay abidia

Na ny efa avara-pi…

Reo mahia sy voafonja

Ny tomady dongadonga

Omeo Noelim-pifaliana ,

Haravoana , fitsikiana

Ireo mpihatsaravelatsihy,

Mpankahala , mody tia

Ny ray sy reny mbamin-janaka

Omeo fo mifanaraka sy Noelim-pitiavana

Mba hahaizany mihavana

Mba hahaizany mihavana

Ireo mpianakavy miady ,

Mpiray tampo sy mpivady

Ny vinanto sy rafozana …

Midira ianao hamaha olana

Omeo Noely mahafinaritra

Santatry ny any an-danitra

AnRIRA YDA