BIANCO – SAMPATI FJKM
BIANCO – SAMPATI FJKM
Miroso ny fiaraha-miasa amin’ny ady amin’ny kolikoly
Mitombo isa ireo olom-pirenena na ny vondron’olona mirotsaka amin’ny ady amin’ny fahalovana eto amin’ny firenena. Ankehitriny dia miara-miasa ny Bianco sy ny Sampati Fjkm ka taorian’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa natao tamin’ny volana febroary dia miroso amin’ny fanofanana ny roa tonta. Tao anatin’ny roa, alakamisy sy zoma no notanterahana ny fampiofanana mpampiofana eo amin’ny Sampati Foibe FJKM, ny Komitin’ny faha-25 taonan’ny Sampati ary ireo Biraon’ny Sampati ao anatin’ny Synodamparitany 4 eto Antananarivo. Eny amin’ny foibe FJKM TRANO Ifanomezantsoa Analakely, varavarana 201 no nanatanterahana izany.
Lohahevitra dinihina nandritry ny fampiofanana ny hoe:”Ady amin’ny kolikoly”, ka ireo mpanabe Sampati manerana ny Nosy avy eo no hanatanteraka ny fampiofanana faobe amin’ny fotoam-pitaizana manaraka.
Roa volana aloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’izao, fa hitohy roa taona izany aoriana. Zava-dehibe ny fampiofanana mpampiofana raha ny nambaran’ny Talem-paritry ny Bianco eto Antananarivo satria fampitana ny soatoavina amin’ny tanora io, ary fampiharana soatoavina mandeha amin’ny fahamarinana. Noho ny fahavononan’ny Sampati FJKM dia vita ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka ireo mpampiofana avy amin’ny Bianco Antananarivo eo amin’ny sehatry ny fanabeazana no nanao ny fampiofanana.
ARIS