CWM / Hafatra
Ry mpiara-Miasa ao amin’ ny asa fanompoana:

Miarahaba anareo izahay amin’ ny anaran’ ny Tompo Kristy.
Mitsena antsika aminâny vaovao mampalahelo ny vanim-potoan’ ny ââkaremyââ tao Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe amin’ ny faharavana nentinâny rivo-doza âIdaiâ izay namoizana ainâolona an-jatony, nandrava fivelomana, ary namela fianakaviana tsy tambo isaina ho tsy manan-kialofana sy rava fananana. Mitsena antsika aminâny vaovao mampalahelo bebe kokoa ny Christchurch any Nouvelle ZĂ©lande, ary Utrecht any Holandy, izay nitifirana sy namonoana olona tao anatinâny fitroarana tsy misy antony ka nahafatesana sy naharatrana olona maro ary nampikorontan-tsaina.
Koa aminâny anaranâny tomponanandraikitra sy ny fianakavianâny CWM iray manontolo, dia miantso ny fiangonana mpikambana rehetra ao aminâny CWM mba hiray hina amin’ ny fiangonana any Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe, izay mitaky fanampiana aminâny maha-olona fotsiny ho fanombohana.
Ho lava sy haharitra ny lĂ lana mankany amin’ny famerenana aminâny laoniny ny fiainana ary tsy maintsy handraisana fepetra hentitra sy matipaika ny fanohanana ireo fitondram-panjakana sy ny vahoaka any aminâireo firenena ireo.
Telo aminâny fiangonana mpikambana ao amintsika no voakasikâ izany : ny Fiangonanâ i Kristy ao Malawi, ny Fiangonana Presbiteriana Mitambatra ao Afrika Atsimo sy ny Fiangonana Kongregasionaly any aminâny faritra atsimon’ i Afrika. Efa nahazo vaovao fa maro aminâny olona avy aminâireto fiangonana ireto no iharanâio toe-javatra io mivantana.
Izahay dia eo am-piresahana amin’ny mpikambana mba hamantatra izay fomba tsara indrindra tokony atao momba ity toe-draharaha ity ary hahafaly anay ny hanome vaovao anareo rehefa mihamazava aminay izany.
Ao anatinâ izany, dia manao antso avo ho aminâny ny fanohanana ara-bola avy aminareo mba hanehoana valinteny matanjaka sy iombonana avy amin’ ny CWM. Azonareo alefa mivantana ny anjara birikinareo any aminâny Birao ao Singapour na any aminâny Royaume-Uni(UK) izay mety ho mora kokoa ho anareo. Amin-kafaliana no handrindranay ny ezaka tokony atao ka hanoroanay anareo ny fivoaranâny toe-draharaha araka ny fisehony.
Mankasitraka ny asa miaraka efa notanterahanâny governemanta sy ny mponina ao Nouvelle ZĂ©lande sy ny any Holandy izay nivondrona mba hanohanana ireo niharam-boina tamin’izao heloka bevava fankahalana izao ; ary nanao dingana goavana izy ireo mba hilazana ny fampihorohoroana araka ny tokony hiantsoana azy izao â heloka bevava eo anatrehanâny maha-olombelona – ary tsy fanomezana toerana ho anâny fomba fijery hafa. Isika dia miombom-peo aminâireo mpikambana ao amin’ny fiangonana misy antsika – ny Fiangonana Presbyteriana ao Aotearoa Nouvelle ZĂ©lande (PCANZ), ny Fiangonana Kongregasionaly ao Nouvelle ZĂ©lande (CUNZ) sy ny Fiangonana Protestanta ao Holandy (PKN) â manoloana ny famoahany ity fitarainany ity ; kanefa ihany koa, eo aminâny fomba hiarovana ny fiarahamonina izay miatrika ireo fanafihana ireo. Manana namana maro isika ao Christchurch izay toerana iasanâny PCANZ sy ny CUNZ mafy tokoa ; ary dia tena akaiky ny foibenâ ny PKN ny fanafihana tao Utrecht.
Mangataka vavaka avy aminâny mpino rehetra, avy aminâny mpikambana ao aminâny Fiangonana ao amin’ ny CWM, ho an’ ireo izay mijaly noho ny fahalasanan’ ireo olon-tiana, na ny aminâny faharavana nateraky ny rivo-Doza Idai tao Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe, na ny fanafihanâ ny mpampihorohoro tao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy sy Utrecht. Aoka isika hijoro amin’ ny firaisan-kina miaraka amin’ ireo izay sisa velona voakasikâ ireo loza izay tafahoatra loatra ka mitaky fotoana ho aminâ ny fanasitranana sy famerenana amin’ ny laoniny.
Koa raha miandrandra Zoma masina sy hankalaza ny Paska isika, dia mampahatsiahy antsika fa nahatsiravina io vanim-potoana io, sahala aminâny fotoana nanakaiky ny nanombohana anâi Jesoa teo aminâny hazofijaliana ; saingy nanao ahoana moa ny herimpo nasehonâi Jesoa teo anoloan’ilay hazofijaliana ary nanao ahoana ihany koa ny hatsaranâny hiran’ny fandresena nataonâireo mpianatra voalohany raha nitantara ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Isika dia olonâ ny fitsanganana amin’ ny maty izay mahafantatra ny fanaintainana sy ny tolona taminâny andronâny Zoma Masina.
Midika izany fa isika mijoro marina tokoa eo amin’ ny faharesen-dahatra fa tsisy afaka hanasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra (rom. 8: 31-39) ary na dia nozonina aza isika dia tsy rava (2 kor. 4).
Andriamanitra anie hanasitranana aminâ ny famindram-pony ireo izay voakasiky ny loza ; enga anie hotovin’ Andriamanitra ho aminâireo rahavavy sy rahalahintsika ao amin’ ny CWM aty aminâ ny faritra Afrika, Pasifika sy Europe ny fahasoavana, mba hijoro ho matanjaka amin’ ny finoana sy ho vavolombelona; ary enga anie hotovin’ Andriamanitra amintsika rehetra ny finiavana hamaly ny fanohanana ireo izay niharanâ ny fahavoazana naterakâireo zava-nitranga izay nitarika ny alahelo sy ny fanaintainana be.
Ao anatin’ ny vavaka ary amin’ ny alalan’ ny finoana.
Cowan Collin j.
Ny Sekretera Jeneraly