SP 11 / Tatitra fivoriambe II
SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSIMO (SPAA 11)
Nanatanteraka ny fivoriambeny faharoa ny SP 11 ny Sabotsy 12 Novambra 2016 lasa teo . Tao amin’ny FJKM Bemasoandro Sainte Trinité no nanaovana izany.
Nitarika ny fotoana, Atoa RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo, Mpitandrina Filoha mpanampy Birao SP 11 . Nitondra ny hafatr’Andriamabnitra kosa Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina ,Filohan’ny FJKM,ary ny nitantana ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo , RANDIMBIALISON Johary, Mpitandrina ao amin’ny FJKM Bemasoandro .
Tonga nanatrika ny fotoana sy nanotrona izany ireo avy amin’ny : Solontenan’ny Birao Foibe FJKM notarihin’ny Filohan’ny FJKM, Solontenan’ny MF, Biraon’ny SPAA11 notarihin’ny Filoha Synodaly RABELISON Manasse sy ny Biraon’ny SP 11, ireo Mpitandrina sy solontenam-piangonana sy sampana.
Ny fandaminana natao nandritra ny fivoriana :
- Hira an –tsehatra nataon’ireo tanora tao Bemasoandro ho fiandrasana ny ora hanombohan’ny fotoam-bavaka tao am-Piangonana;
- Fivoriam-bavaka nanambaran’ny Filohan’ny FJKM ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra .
- Fifampitam-baovao mahasoa
- Fiarahabana sy fitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM vaovao mivady indrindra amin’ny maha- avy ao amin’ny SP Antananarivo Atsimo azy mivady sy ny zanany tonga teo .
- Fifampiarahabana sy firariantsoa ireo BMF SY MF zanaky ny SP 11 voafidy tany amin’ny Synoda lehibe
- Fiarahabana sy fanolorana marim-pankasitrahana ireo Fitandremana nahavita adidy eo anivon’ny Synodam-Paritany;
- Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo;
- Fiaraha-misakafo natao ho an’ny rehetra.
“Ny Kristiana rehetra tokony ho fanasina hatrany, tokony ho fahazavana hatrany, ka miala ao anaty fahalovana izay miteraka fahantrana. Araka ny voasoratra hoe : « Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. » (1 Korintiana 6:20). Kristiana miaraka amin’i Jesoa Kristy Tompo, amin’ny fiainana, ary tafiditra anaty rafitra. Kristiana manetry tena, mila mandeha hatrany, ary manalavitra ny fahadisoana fa manakaiky hatrany ny fahamarinana.
Kristiana, vavolombelon’i Jesoa eo amin’ny fiainana..”. Anisan’ny nisongadina ireo tao anatin’ny hafatr’Andriamanitra izay nentin’ny Filohan’ny FJKM izany.
Marihina, fa misy fitandremana miisa 78, sy Fiangonana 84 ao anatin’ny Synodam-Paritany Antananarivo Atsimo.
Nangonin’i Ph.R