FJKM Ankadimbahoaka (SP 11).
Alahadin’ny Mpitandrina
« Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho , ry Jerosalema ô . Koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny » Isaia 62.6
Asaina am-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FJKM Ankadimbahoaka ho tonga hiombona amin’ny Fanompoampivavahana noho ny Alahadin’ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty mianakavy . Izany dia hotanterahina ny Alahady 10 Martsa 2019 ho avy izao manomboka amin’ny 9ora maraina .
Araka ny fanao dia hanohana azy mivady amin’ny vavaka sy ny marika hita maso sy tsapain-tànana isika .
Tongava maro ho Voninahitr’ Andriamanitra sy hifalian’ny mpanompony .