NY VALIFATY MITERAKA HERISETRA HATRANY
Dingan’ny lalàna / EKSODOSY 21. 22-25,
Dingan’ny fahasoavana / MATIO 5. 38-42
Rehefa dinihina ny lalàna izay nibaiko tao amin’ny Testamenta taloha,dia hita fa napetraka mba hampilamina ireo olombelona, tarihin’ny hevitry ny fo maha-olombelona fotsiny ; izay namely tsy maintsy hasiana : io no voalaza amin’ilay hoe « maso solon’ny maso » (Eksodosy 21. 22). Tsy maintsy mihatra ny valifaty na ahoana na ahoana. Efa nitera-doza tany amin’ny tany sasany izy io. Izay fantatra ihany koa amin’ny hoe « vendetta » : vonoan’olona tsy misy farany fa mitohy hatrany amin’ny taranaka mifandimby ; ary dia lasa ozona mihitsy satria tsy misy intsony ny antom-pisian’ireo taranaka, afa-tsy ny hanao valifaty.
Hita amin’ny tenin’i Jesoa Kristy ny fahendrena, izay maharesy ilay fo bontolo fehezin’ny nofo fotsiny. Miainga amin’ny fahasoavana ny toe-po aty amin’ny Testamenta vaovao ; afaka maneho fahamatorana ara-panahy ny olona, izay novain’ny Filazantsara. Maka toerana ao am-pony ny fitiavana sy ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy fombafombam-pivavahana fotsiny intsony mantsy no arahiny sy ankatoaviny, fa JESOA KRISTY, izay nanome ohatra tsara, tamin’ny nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy ny hanao fitsarana intsony no mahamaika azy, fa ny hitaona ny ratsy ho amin’ny fahazavan’i Kristy.Vavaka :Tompo ô, fantatry ny sainay ihany ny tokony hatao, saingy ny fonay matetika mbola tsy mahatanty…Rakofy ny fitiavanao isan’andro izahay mba hahatonga anay hahay hankatò Anao . Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tomponay . AmenaR.Mamy