Ny Protestantisma
Fampahatsiahivana
Ny FJKM dia Fiangonana « RĂ©formé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana (RĂ©forme) niseho tany Eoropa 500 taona lasa izay.
I Martin Luther no nanomboka izany fanitsiana izany rehefa nahita fa maro ireo fampianaran’ny fiangonana katĂŽlika no tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina.
Fa i Jean Calvin kosa no loharano nipoiran’ny Fiangonana « RĂ©formé ».
Ireto avy ireo hevi-dehibe fito ny protestantisma :
1- « Sola gratia » na « ny fahasoavana irery ihany » :
â¶Â Mpanota ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra
â¶Kanefa noho ny fitiavanâAndriamanitra azy dia anehoanâAndriamanitra ny fahasoavany izy
â¶Â Tsy noho ny ezaka ataontsika no maha-voavonjy antsika fa noho ny : «FAHASOAVANâANDRIAMANITRA»
â¶Â Omen’Andriamanitra maimaim-poana ho antsika ny fahasoavany noho ny fitiavany antsika
2 – « Sola fide » na « ny finoana irery ihany » :
â¶Â Ny finoana irery ihany no antoky ny Famonjena
â¶Â Ny finoana dia fandraisana sy fanekena an’i Jesoa Kristy hitoetra ao anatintsika
â¶Â Ny finoana marina dia izay miorina amin’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly
â¶Â Aminâny alalanâny finoana irery ihany no ahazoana ny famonjena fa tsy aminâny fotokevitra sy ny asa soa ataonâny olona
3 – « Sola scriptura » na  » ny Soratra Masina irery ihany » :
â¶Â Ny Baiboly na ny Soratra Masina no mirakitra ny TeninâAndriamanitra
â¶Â Ao no mirakitra ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ary loharanon’ny finoana protestanta
â¶Â Ny Baiboly dia mirakitra ny fampianarana avy amin’Andriamanitra fa nosoratan’olombelona kosa
â¶Â Manondro an’i Jesoa Kristy avokoa ny boky ao amin’ny Baiboly
â¶Â Ny fitsipi-pitondran-tena ny mino dia faritanâny Soratra Masina
â¶Â Ny Tenin’Andriamanitra no tompon’ny fahefana ao am-piangonana
4 – « Solus Christus » na « Jesoa irery ihany » :
â¶Â I Jesoa Kristy irery ihany no Mpanalalana (mpanelanelana) ny olona amin’Andriamanitra
â¶Â I Jesoa Kristy irery ihany no lohan’ny fiangonana
â¶Â Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo hamonjy izao tontolo izao, maty sy nitsangana tamin’ny maty ihany no ahazoana Famonjena
5 – « Soli Deo Gloria » na « Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra » :
â¶Â Andriamanitra irery ihany no masina sy marina
â¶Â Tsy misy olona afaka hilaza fa masina sy marina kokoa mihoatra ny hafa
â¶Â Izay rehetra atao na ny fiainantsika dia ho voninahitr’Andriamanitra
â¶Â Mitaiza antsika hahay manetry tena izany ka ho fiainantsika ny mankalaza sy midera ny Tompo
â¶Â Manao asa tsara fa tsy kitoatoa ho voninahitr’Andriamanitra fa tsy ho filan-dera sy ho fisehosehoana
6 – « Ecclesia semper reformanda » na « Mihavao hatrany ny Fiangonana » :
â¶Â Ny Fiangonana sy ny fombany ary ny fampianarany dia havaozin’Andriamanitra sy mihavao mandrakariva nohon’ny asan’ny Fanahy Masina
â¶Â Na ny endriky ny fiangonana, na ny rafitra sy ny fombany, na ny fotoâpampianarany dia mety ho simba sy hiova ho ratsy
â¶Â Fa ny Protestanta dia resy lahatra ho aminâny fiovana ho tsara mandrakariva
â¶Â Sady miezaka ny hitsikera-tena ary manaiky hahitsy ny Fiangonana mba hivoarany aminâny tsara kokoa
7 – « Sacerdoce universalis » na « Fanjakam-pisorona » :
â¶Â Tamin’ny andron’ny Jiosy tao amin’ny Testamenta Taloha, dia ny mpisorona be sy ny mpisorona no mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka
â¶Â Fa amin’ny protestant kosa dia ny kristianina tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia « mpisorona » avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany (pasitera, mĂŽpera….)…tsy manao confession.
â¶Â Ny kristianina tsirairay izany dia afaka mifona ho an’ny tenany mivantana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, nefa koa mivavaka ho amin’ny hafa mba handraisany ny famelan-keloka noho ny famindram-pon’Andriamanitra.
Pasteur Eliezera